Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zahan-toetra ny fitiavan-komana

Daty
Alatsinainy 17 June 2024

"Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:27. 

Mofon'aina:
Taorian'ny batisany dia nankany an'efitra ny Zanak'Andriamanitra mba halain'ny devoly fanahy. Niaritra hanoanana mafy Izy nandritra ny enina herinandro teo ho eo. (...) Tsapany ny herin'ny fitiavan-komana eo amin'ny maha-olombelona, ary teo amin'ny toerantsika dia nalaim-panahy tamin'ny fomba henjana indrindra Izy tamin'io lafiny io. Azony ny fandresena teo, ary vitsy no tena mahatakatra izany. Ny herin'ny filan-kanina sy ny fahotan'ny fanaranam-po amin'izany dia tsy mety ho takatra raha amin'ny fandinihana ny faharetan'ilay fifadian-kanina nataon'ny Mpamonjy mba handravana ny fahefan'izany (...).

Ny tsy fahalalana onony no fototry ny haratsiam-pitondran-tena rehetra fantatry ny olona. Teo amin'izay niantombohan'ny fahasimbana indrindra no nanombohan'ny Mpamonjy ny asa fanavotana. Ny tsy fahalalana onony amin'ny sakafo no nahatonga ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. (...)

 Hitan'ny Zanak'Andriamanitra fa tsy vitan'ny herin'ny olombelona samirery ny mandresy io fakam-panahy lehibe io (...). Tonga teto an-tany Izy hampiray ny herin'Andriamanitra amin'ny ezaka ataon'ny olombelona, mba hahafahantsika mandresy amin'ny alalan'ny hery sy ny tanja-tsaina omeny antsika. Oh! Nietry tokoa Ilay Mpanjakan'ny voninahitra nidina teto amin'izao tontolo izao, niaritra ny hamafin'ny hanoanana sy ny herin'ny fakam-panahy avy amin'ny fahavalo fetsy, mba hahazoany fandresena ho an'ny olombelona. Izany no fitiavana tsy manam-paharoa. Noho ny amin'ny olombelona izany fietrena lalina izany, kanefa zara raha takatr 'ireo izany.

Tsy ny hanoanana ihany no tena nahamafy indrindra ny fahorian'ny Mpanavotra antsika. Nitambesatra indrindra tamin'ny fanahiny ny fahamelohana vokatry ny hatendan-kanina izay nahatonga loza lehibe teto amin'izao tontolo izao. (...)

Tamin'ny maha-olombelona Azy, sady nilanja ny vesatra mahatsiravin'ny fahotana teo Aminy, no nanoheran'ny Mpamonjintsika an'i Satana tao anatin'io fakam-panahy lehibe io, izay mamery ny fanahin'ny olona. Raha resin'ny olona io fakam-panahy io, dia handresy amin'ny lafiny rehetra koa izy. — HP, t. 194. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal