Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zahan-toetra ny fitiavan-komana

Daty
Alatsinainy 17 June 2024

"Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:27. 

Mofon'aina:
Taorian'ny batisany dia nankany an'efitra ny Zanak'Andriamanitra mba halain'ny devoly fanahy. Niaritra hanoanana mafy Izy nandritra ny enina herinandro teo ho eo. (...) Tsapany ny herin'ny fitiavan-komana eo amin'ny maha-olombelona, ary teo amin'ny toerantsika dia nalaim-panahy tamin'ny fomba henjana indrindra Izy tamin'io lafiny io. Azony ny fandresena teo, ary vitsy no tena mahatakatra izany. Ny herin'ny filan-kanina sy ny fahotan'ny fanaranam-po amin'izany dia tsy mety ho takatra raha amin'ny fandinihana ny faharetan'ilay fifadian-kanina nataon'ny Mpamonjy mba handravana ny fahefan'izany (...).

Ny tsy fahalalana onony no fototry ny haratsiam-pitondran-tena rehetra fantatry ny olona. Teo amin'izay niantombohan'ny fahasimbana indrindra no nanombohan'ny Mpamonjy ny asa fanavotana. Ny tsy fahalalana onony amin'ny sakafo no nahatonga ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. (...)

 Hitan'ny Zanak'Andriamanitra fa tsy vitan'ny herin'ny olombelona samirery ny mandresy io fakam-panahy lehibe io (...). Tonga teto an-tany Izy hampiray ny herin'Andriamanitra amin'ny ezaka ataon'ny olombelona, mba hahafahantsika mandresy amin'ny alalan'ny hery sy ny tanja-tsaina omeny antsika. Oh! Nietry tokoa Ilay Mpanjakan'ny voninahitra nidina teto amin'izao tontolo izao, niaritra ny hamafin'ny hanoanana sy ny herin'ny fakam-panahy avy amin'ny fahavalo fetsy, mba hahazoany fandresena ho an'ny olombelona. Izany no fitiavana tsy manam-paharoa. Noho ny amin'ny olombelona izany fietrena lalina izany, kanefa zara raha takatr 'ireo izany.

Tsy ny hanoanana ihany no tena nahamafy indrindra ny fahorian'ny Mpanavotra antsika. Nitambesatra indrindra tamin'ny fanahiny ny fahamelohana vokatry ny hatendan-kanina izay nahatonga loza lehibe teto amin'izao tontolo izao. (...)

Tamin'ny maha-olombelona Azy, sady nilanja ny vesatra mahatsiravin'ny fahotana teo Aminy, no nanoheran'ny Mpamonjintsika an'i Satana tao anatin'io fakam-panahy lehibe io, izay mamery ny fanahin'ny olona. Raha resin'ny olona io fakam-panahy io, dia handresy amin'ny lafiny rehetra koa izy. — HP, t. 194. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal