Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonana tahian’Andriamanitra

Daty
Zoma 05 July 2024

« Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny lalàn’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy taminy. » Gen. 18:19. 

Mofon’aina:   
Eo imason’Andriamanitra, ny maha-izy ny olona dia araka izay maha-izy azy eo anivon’ny fianakaviany. Nampisongadina ny fiainan’i Abrahama, ilay sakaizan’Andriamanitra, ny fanajana fatratra ny tenin’Andriamanitra. Nokolokoloiny ny fivavahana tao an-tokantranony. Nanjaka tao an-tokantranony ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izy no mpisorona tao an-tokantranony. Noraisiny ho adidy masina ny ankohonany. Mihoatra ny arivo ny fanahy teo ambanin’ny fiadidiany, ary nampitodihiny tamin’Ilay Andriamanitra Mpanjakan’ny zava-drehetra izy ireo tsirairay avy, na ray aman-dreny na zanaka. Tsy naneritery ny zanany izy, ary nankatô azy ny zanany. Fitiavana sy fahamarinana no nentiny nanapaka ny ankohonany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary nankasitrahan’Andriamanitra ny fahatokiany.

“Nanapaka tsara ny ankohonany izy.” Tsy nanao an-tsirambina ny fanitsiana ny fironan-dratsin’ny zanany izy fa fahotana izany, tsy nanao fiangarana noho ny fahalemeny na noho ny tsi-fahendreny izy, tsy nampandefitra ny adidy tokony hataony noho izay fiheveran-diso hoe fanehoam-pitiavana. (...) 

Vitsy ankehitriny ireo manahaka izany ohatra izany. Maro ireo ray aman-dreny mandeha an-jambany fotsinv araka ny fihetseham-pony, ka mamela ny sitrapon’ny zanany hofehezin'ny fisainany tsy mbola àry sy ny fironany tsy mbola voafehiny. Izany no fanimbana ratsy indrindra atao amin’ny tanora sy fahadisoana lehibe indrindra atao amin’izao tontolo izao. Mahatonga fikorontanana eo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny fitazanam-potsiny ataon’ny ray aman-dreny. Izany no mahatonga ny tanora hiorim-paka ao amin’ny fanaranam-po amin’ny filany fa tsy milefitra amin’ny fitakian’Andriamanitra.

Samy an’Andriamanitra. ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka tokony ho eo ambanin’ny fanapahany. Tamin’ny fanehoam-pitiavana sy fahefana miaraka no nanapahan’i Abrahama ny ankohonany. Manome tari-dàlana ho antsika ny Tenin’Andriamanitra. Izany fitsipika izany no fenitra tsy azontsika ihodivirana raha tiantsika ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra no tokony hampanjakaina. Ny fanontaniana tokony hapetratsika dia tsy hoe inona no nataon’ny hafa? Inona no hoheverin’ireo havako? Na ny hoe inona no holazain’izy ireo raha manohy ity safidy ity aho? Fa ny hoe inona no nambaran’Andriamanitra? Tsy hahita fahombiazana amin’inona na inona na ny ray aman-dreny na ny zanaka raha tsy mandeha araka ny fomban’Andriamanitra irery ihany. – CC, t. 49.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal