Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonana tahian’Andriamanitra

Daty
Zoma 05 July 2024

« Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny lalàn’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy taminy. » Gen. 18:19. 

Mofon’aina:   
Eo imason’Andriamanitra, ny maha-izy ny olona dia araka izay maha-izy azy eo anivon’ny fianakaviany. Nampisongadina ny fiainan’i Abrahama, ilay sakaizan’Andriamanitra, ny fanajana fatratra ny tenin’Andriamanitra. Nokolokoloiny ny fivavahana tao an-tokantranony. Nanjaka tao an-tokantranony ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izy no mpisorona tao an-tokantranony. Noraisiny ho adidy masina ny ankohonany. Mihoatra ny arivo ny fanahy teo ambanin’ny fiadidiany, ary nampitodihiny tamin’Ilay Andriamanitra Mpanjakan’ny zava-drehetra izy ireo tsirairay avy, na ray aman-dreny na zanaka. Tsy naneritery ny zanany izy, ary nankatô azy ny zanany. Fitiavana sy fahamarinana no nentiny nanapaka ny ankohonany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary nankasitrahan’Andriamanitra ny fahatokiany.

“Nanapaka tsara ny ankohonany izy.” Tsy nanao an-tsirambina ny fanitsiana ny fironan-dratsin’ny zanany izy fa fahotana izany, tsy nanao fiangarana noho ny fahalemeny na noho ny tsi-fahendreny izy, tsy nampandefitra ny adidy tokony hataony noho izay fiheveran-diso hoe fanehoam-pitiavana. (...) 

Vitsy ankehitriny ireo manahaka izany ohatra izany. Maro ireo ray aman-dreny mandeha an-jambany fotsinv araka ny fihetseham-pony, ka mamela ny sitrapon’ny zanany hofehezin'ny fisainany tsy mbola àry sy ny fironany tsy mbola voafehiny. Izany no fanimbana ratsy indrindra atao amin’ny tanora sy fahadisoana lehibe indrindra atao amin’izao tontolo izao. Mahatonga fikorontanana eo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny fitazanam-potsiny ataon’ny ray aman-dreny. Izany no mahatonga ny tanora hiorim-paka ao amin’ny fanaranam-po amin’ny filany fa tsy milefitra amin’ny fitakian’Andriamanitra.

Samy an’Andriamanitra. ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka tokony ho eo ambanin’ny fanapahany. Tamin’ny fanehoam-pitiavana sy fahefana miaraka no nanapahan’i Abrahama ny ankohonany. Manome tari-dàlana ho antsika ny Tenin’Andriamanitra. Izany fitsipika izany no fenitra tsy azontsika ihodivirana raha tiantsika ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra no tokony hampanjakaina. Ny fanontaniana tokony hapetratsika dia tsy hoe inona no nataon’ny hafa? Inona no hoheverin’ireo havako? Na ny hoe inona no holazain’izy ireo raha manohy ity safidy ity aho? Fa ny hoe inona no nambaran’Andriamanitra? Tsy hahita fahombiazana amin’inona na inona na ny ray aman-dreny na ny zanaka raha tsy mandeha araka ny fomban’Andriamanitra irery ihany. – CC, t. 49.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal