Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery azo antoka

Daty
Alahady 07 July 2024

« Satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery. »Gen. 32:29.

Raha tsy nibebaka nialoha tamin’ny nisolokiany ny nahazoany ny fizokiana i Jakoba, dia tsy ho nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany ary tsy ho novonjena ny ainy. Ho toy izany koa amin’ny andro mahory, raha ampijalian’ny tebiteby sy ny tahotra ny zanak’Andriamanitra. Raha misy ota tsaroany fa tsy nifonany dia ho levona izy. Hahafaty ny finoany ny famoizam-po ka tsy ho ampy intsony ny fahatokiany mba hangataka amin’Andriamanitra ny fanafahany.

Tsy ho toy izany anefa no hiseho. Fa na dia hahatsiaro fatratra ny tsy fahamendrehany aza izy, dia tsy hanana ota miafina haseho. Efa ho voakosoky ny ra mahadion’i Jesosy Kristy ny fahotany ary ny fahadisoany tsy hotsaroana intsony (...)

Na iza na iza mitady hanafina na hanala tsiny ny fahotany fa tsy niaiky izany mba tsy hotsarovana eo amin’ny bokin’ny lanitra, dia ho resin’i Satana. Fa arakaraka ny fahatsaran’ny fanekem- pinoany, arakaraka ny fahamboniany, dia arakaraka izany koa no azo aniniana ny toetrany eo anatrehan’Andriamanitra sy ho fahombiazan’ny fahavalo.

Ny tantaran’i Jakoba dia maneho amintsika koa fa tsy mandà izay manatona Azy amin’ny fiovam-po marina Andriamanitra na dia efa nizotra teo amin’ny lalan’ny faharatsiana aza izany olona izany. Tamin’ny fiantorahany teo an-tratran’Andriamanitra, feno fahatokiana toy ny zaza, no nahazoan’i Jakoba izay tsy azony tamin’ny herin’ny tenany. Nampianarin’Andriamanitra azy fa ny hery sy ny fahasoavan’ny lanitra ihany no afaka hanome azy ny fitahiana aman-tsodrano nirin’ny fanahiny (...) Tsy ho faty izay rehetra manao toy izany (...)

Ny tantaran’ i Jakoba satria tsy niova fenitra izy sady naharitra.

Ny fandreseny dia maneho amintsika ny herin’ny fivavahana atao amim-paharetana. Izao no fotoana tokony hianarantsika ny atao hoe fivavahana mandresy sy ny atao hoe finoana tsy azo resena.

Ny fandresena lehibe azon’ny Fiangonana, na azon’ny Kristianina tsirairay avy dia tsy mba vokatry ny talenta, na ny fitaizana, na ny harena, na ny tombontsoa avy amin’olombelona tsy akory, fa vokatry ny fivavahana mangina izay natao teo anatrehan’Andriamanitra, tamim-pinoana miredareda sady tsy azo hozongozonina izay mamihina mafy ny herin’ny Tsitoha. - CC, t. 69.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal