Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rahona sy afo

Daty
Talata 09 July 2024

« Namelatra rahona ho fialokalofana Izy ary afo ho fanazavana nony alina. »Sal. 105:39.

Mofo Naina:    
“Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’alina.” — Eks. 13:21 (...) Nandroso nizotra teo ambany fanevan’ny Mpitarika tsy hita maso ny Isiraely. Ny antoandro, dia ny rahona no nanazava ny diany sy nanarona ireto vahoaka toy ny eloelo teo amboniny ary ny hatsiatsiakany no nanalefaka ny fandoroan’ny hainandro ny tany efitra. Niova ho andry afo izany tamin’ny alina ka nanazava ny toby sy nanamafy ny fanatrehan’Andriamanitra tsy tapaka.

Mitantara ny fiahian’Andriamanitra ny olony amin’ny ady lehibe farany ifanaovana amin’ny herin’ny ratsy i Isaia raha nilaza ny andri-rahona sy ny andri-afo, ao amin’ny teny tena soa sy feno fiononana indrindra ao amin’ny faminaniana nosoratany: ‘Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro sy fahazavan’ny afo midedadeda nony alina. Ho eny ambony fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona, sy ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra, ary eny ambonin’ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo, ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro ary ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana’. – PM, t. 281.

Amin’ny fotoan’ny fitsapana dia nampanantena Andriamanitra fa hanisy fiarovana ho an’ireo izay nitandrina tamim-paharetana ny teniny. Hambaran’i Kristy amin’ireo mahatoky Aminy ny teny hoe: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” – Isa. 26:20.

Ny Lion’ny Joda, izay mahatahotra ho an’ireo mandà ny fahasoavany, dia ho Zanak’ondrin’Andriamanitra ho an’ireo mpankatô sy mahatoky. Ny andri-rahona dia ho fanehoam-pahatezerana sy tahotra amin’ny mpandika ny lalàn’Andriamanitra, fa ho fahazavana sy famindram-po ary fanafahana kosa ho an’ireo izay mitandrina ny didiny. Ilay sandry mahery mamotika ny mpikomy dia matanjaka hanafaka ireo mandeha amim-pahitsiana. Hangonina tokoa ireo mahatoky. “Ary amin’ny ampammpnenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.” – Mat. 24:31. – CC, t. 91.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal