Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rahona sy afo

Daty
Talata 09 July 2024

« Namelatra rahona ho fialokalofana Izy ary afo ho fanazavana nony alina. »Sal. 105:39.

Mofo Naina:    
“Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’alina.” — Eks. 13:21 (...) Nandroso nizotra teo ambany fanevan’ny Mpitarika tsy hita maso ny Isiraely. Ny antoandro, dia ny rahona no nanazava ny diany sy nanarona ireto vahoaka toy ny eloelo teo amboniny ary ny hatsiatsiakany no nanalefaka ny fandoroan’ny hainandro ny tany efitra. Niova ho andry afo izany tamin’ny alina ka nanazava ny toby sy nanamafy ny fanatrehan’Andriamanitra tsy tapaka.

Mitantara ny fiahian’Andriamanitra ny olony amin’ny ady lehibe farany ifanaovana amin’ny herin’ny ratsy i Isaia raha nilaza ny andri-rahona sy ny andri-afo, ao amin’ny teny tena soa sy feno fiononana indrindra ao amin’ny faminaniana nosoratany: ‘Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro sy fahazavan’ny afo midedadeda nony alina. Ho eny ambony fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona, sy ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra, ary eny ambonin’ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo, ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro ary ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana’. – PM, t. 281.

Amin’ny fotoan’ny fitsapana dia nampanantena Andriamanitra fa hanisy fiarovana ho an’ireo izay nitandrina tamim-paharetana ny teniny. Hambaran’i Kristy amin’ireo mahatoky Aminy ny teny hoe: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” – Isa. 26:20.

Ny Lion’ny Joda, izay mahatahotra ho an’ireo mandà ny fahasoavany, dia ho Zanak’ondrin’Andriamanitra ho an’ireo mpankatô sy mahatoky. Ny andri-rahona dia ho fanehoam-pahatezerana sy tahotra amin’ny mpandika ny lalàn’Andriamanitra, fa ho fahazavana sy famindram-po ary fanafahana kosa ho an’ireo izay mitandrina ny didiny. Ilay sandry mahery mamotika ny mpikomy dia matanjaka hanafaka ireo mandeha amim-pahitsiana. Hangonina tokoa ireo mahatoky. “Ary amin’ny ampammpnenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.” – Mat. 24:31. – CC, t. 91.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal