Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa miafin’i satana

Daty
Alatsinainy 15 July 2024

« Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. »Efes. 6:12.

Mofon’aina:   
Tsy dia midera firy ireo olona mahery fo voalaza ao anatiny ny Baiboly. Toerana kely dia kely no mba atokany hilazana ny toe-panahin’ireo olombelona tsara indrindra. Tsy nataotao foana izany fanginana izany fa mirakitra fampianarana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny toetra tsara rehetra ananan’ny olona. Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesôsy Kristy ny asa soa vitany, ka an’i Jehôvah ny voninahitra. Fiasana eo am-pelatanan’Andriamanitra ihany ny olona, ka mampidi-doza ny mandoka azy, araka ny ampianaran’ny Baiboly antsika. Ho lavo tokoa izay mitoky amin’ny herin'ny tenany, noho ny fanadinoany fa tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny herin’ny tenany izy. (...) Tsy azo atao ny miady irery sy handresy ny fahotana. Noho izany, izay rehetra miasa hahatonga antsika ho tsy manan-java- mahory, dia mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra sy manomana lalana ho amin’ny faharesena.

Niroso nanao heloka bevava i Davida. Nanjary nangeja azy ny fandroboana sy ny fitaomana fetsin’ny fitiavam-pahefana sy renty. Tsy latsa- danja amin’izany koa ny varotra nataony tamin’ny firenena manodidina. Araka ny fomba fanao teo amin’ny mpanjaka tatsinanana, dia azo nekena ny fitondran-tena ratsy nataon’ny mpanjaka, izay tsy azo leferina teo amin’ny olona. Nisy fanomezana lalana ny mpanjaka, izay tsy nomena ny olon-tsotra mety maty. Vao mainka mampihena ny toetra maharikorikon’ny fahotana teo amin’i Davidajzany rehetra izany. Ny fahendreny sy ny heriny no nitokiany fa tsy niantehitra tamim- panetren-tena isan’andro tamin’ny herin’Andriamanitra izy. Tsy manaonao foana na mamely tampoka i Satana, mba handavoana antsika. Tsikelikely no handravany amin-kafetsena ireo fitsipika arahintsika sy hampanalavirany antsika amin’Andriamanitra; dia taominy isika hanao fahadisoana tsy dia manao ahoana loatra, ary farany, rehefa mahomby izy hahatonga antsika hianatra ny fanaon’izao tontolo izao, dia ezahiny indray ny hanaitra ireo faniriana maloto avy amin’ny filan’ny nofontsika. – CC, t. 177.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal