Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Feo any an'efitra

Daty
Alarobia 17 July 2024

 "Ary Elia Tisbita, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehôvah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany." - 1 Mpanj. 17:1. 

Mofon’aina:    
Tatsinanan' i Jordana, no   nonenan'ny lehilahin'ny finoana sy ny fivavahana iray, izay tokony hampitsahatra ny fihazakazahan'ny fihemorana tany Isiraely tamin'ny alalan'ny asa liana fahasahiana nanirahana azy tamin'ny andro nanjakan'i Ahaba. Na dia lavitra ny tanana malaza tokoa sy tsy mba nanana toerana ambony aza i Elia Tisbita, dia nanaiky ny iraka nampanaovina azy, ary nametraka ny fitokiany tamin'ny Tompo mba hamboatra lalana ho azy sy hanome azy fitahiana be dia be. Voamariky ny finoana sy ny hery ny teny naloaky ny vavany, ary voatokana ho amin'ny asa fanavaozana ny fiainany manontolo. Ny feony dia feon'ilay miantso any an'efitra mba hanameloka ny ota sy hanohitra ny fisondrotry ny ranomasin'ny faharatsiana izay mitosaka amin'ny tany.

Nahazo baiko hilaza tamin'i Ahaba ny famaizana avy any an-danitra miandry azy i Elia. "Ny tenin'i Jehôvah dia tonga taminy" fa tsy nitady ny ho mpitondra hafatr'Andriamanitra izy. Noho ny maha-sarotiny azy tamin'ny voninahitra tsapany fa ananan'ny asan'Andriamanitra dia tsy nisalasala ny hanaiky ny antsony izy, na dia hamoizany ny ainy eo an-tanan'ny eo an-tendrombohitr'i Gileada, mpanjaka ratsy fanahy mihitsy aza izany (...)

Finoana mahery vaika ny Tenin'Andriamanitra tsy mety diso ihany no nahafahan'i Elia nanambara ny hafatra nentiny. Raha tsy natoky tanteraka an'Ilay tompoiny izy, dia tsy ho sahy na oviana na oviana hiseho teo anatrehan'i Ahaba. Nanara-morona ilay lakan-drano tsy nety ritra sy nananika ny havoana maitso mavana ary namakivaky ny ala mendri-kaja izay toa nihaika ny hain-tany izy rehefa nandeha ho any Samaria. Nitafy hatsaran-tarehy avokoa izay rehetra tazan'ny masony. Mety ho nanontany tena ilay mpaminany hoe ahoana moa no haharitra ny renirano izay tsy nitsaha-nikoriana hatramin'izay, na ahoana koa no handoran'ny hain-tany ny havoana sy ny lohasaha maitso mavana. Kanefa tsy mba nahakasika azy na dia kely akory aza ny fisalasalana. Niaiky tanteraka izy fa Andriamanitra efa nanapa-kevitra hampietry ny fanjakan'Isiraely nihemotra, ary amin'ny alalan'ny famaizana no hitarihana azy ho amin'ny fibebahana. Voatolotra ny baikon'Andriamanitra any tsy ho diso ny Teniny; ka tamin'ny fanaovan'i Elia ny ainy tsy ho zavatra no nanefany ny iraka nampanaovina azy. — CC, t. 205. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal