Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hiran'ady miavaka

Daty
Alakamisy 18 July 2024

"Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona Izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehôvah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Hidera an'i Jehôvah, fa mandrakizay ny famindram-pony. - 2 Tant. 20:21. 

Mofon’aina:
Fomba tsy mahazatra no nataon'izy ireo handeha hiatrika ady; fiderana an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny hira, fanandratana an'Andriamanitry ny Isiraely. Izany no hiran'ady noventesin’izy ireo. Manana ny fahatsaran'ny fahamasinana izy ireo. Raha be kokoa ny fiderana an'Andriamanitra asandratra ankehitriny, dia hitombo ny fanantenana, ny herim-po sy ny finoana. Ary moa ve tsy hanatanjaka ny tanan'ireo miaramila mavitrika izay mijoro ankehitriny hiaro ny fahamarinana izany.

Nidera an'Andriamanitra noho ny fandresena azony nomena izy ireo, ary efatra andro taorian'izay dia niverina nirongo harena nobaboina avy amin’ny fahavalony izy ireo, nihira fiderana noho ny fandresena azo.

Rehefa manana fahatakarana lalina kokoa ny amin’ny famindram-po sy ny fitiavan'Andriamanitra isika dia hidera Azy, fa tsy hitaraina. Hanambara ny amin'ny fikarakarana am-pitiavana ataon'Andriamanitra isika sy ny amin'ny fangorahan'llay Mpiandry Tsara. Tsy ho fimonomononana sy fitarainana ny teny hiloatra avy ao am-po. Fiderana, toy ny renirano mikoriana madio, no hipololotra avy ao amin'ireo tena mino an'Andriamanitra marina (...)

Maninona moa raha asandratra ny feo hiventesana hira ara-panahy ety am-pivahinianana ety? Mila mianatra ny Tenin'Andriamanitra isika, mba handinika sy hivavaka. Amin'izay dia hahiratra ny masom-panahintsika hahita ny ao anatin'ny tempoly any an-danitra. Hipaka amintsika ireo feon-kira fisaorana asandratry ny antoko mpihiran'ny lanitra manodidina ny seza fiandrianana.

Rehefa hitsangana sy hamiratra i Ziona, dia hazava aoka izany ny fahazavany ary ho re eo amin'ny fiangonan’ny olo-marina ny hira fiderana sy fisaorana. Tsy ho tazana intsony ireo fahadisoam-panantenana kely sy zava-tsarotra kely.

Jehôvah no mpanampy antsika (...) Tsy nisy manenina izay matoky an'Andriamanitra. Tsy mba mandiso fanantenana na oviana na oviana ireo izay miantehitra Aminy Izy. Raha manao ny asa izay ampanaovin'Andriamanitra antsika isika, ka manara-dia an'i Jesôsy, dia ho tonga lokanga masina ny fontsika, ka ny tady tsirairay amin'izany dia handefa fiderana sy fisaorana ho an 'Ilay nirahin'Andriamanitra hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. - CC, 1. 218. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal