Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Midera an’Andriamanitra

Daty
Alarobia 28 August 2024

 "Ny famindram-pon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak 'Isiraely (..)." Isa. 63:7. 

Mofon’aina:
Rehefamamelombelonany fanahy tsy tapaka ny fahatsapana ny famindrampon ' Andriamanitra dia hisoritra eny amin'ny endrika ny fiadanana sy ny fifaliana. Ho hita eo amin'ny fiteny sy ny asa izany. Hanana hery manova ny fon'ny hafa ny fiainana noho ny asan'ny Fanahin'i Kristy ao am-po. (...)

Moa tsy manana antony tokony hiresahantsika momba ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny heriny ve isika? Rehefa misy namana manao soa amintsika dia raisintsika ho tombontsoa ny mankasitraka azy ireny noho ny hatsaram-panahiny. Koa tsy vao mainka ve tokony ho fifaliantsika ny misaotra Ilay Namana izay ahazoantsika ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra isan'andro? Aoka àry hokolokolointsika isam-piangonana ny fahaiza-mankasitraka an'Andriamanitra. Aoka hozarintsika hidera an'Andriamanitra ny molotsika ao an-tokantrano. (...) 

Hoy i Davida: "Izaho tia an 'i Jehovah, satria efa nandre ny feon'ny fifonako Izy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa. " —Sal. 116:1,2.Noho ny fahatsaram-pon'Andriamanitra amin'ny fihainoany sy ny famaliany nyvavaka ataontsika, dia manana adidy mavesatra isika haneho fankasitrahana ireo soa nataony antsika. Tokony hidera an'Andriamanitra mihoatra noho izay efa ataontsika isika. Ny fitahiana raisina noho ny valim-bavaka dia tokony hankasitrahana avy hatrany. (...)

Mampalahelo ny Fanahin' i Kristy isika rehefa be taraina sy mimonomonona ary ny manome tsiny. Aoka isika tsy hiferin'aina manoloana ny fitsapana toa mahamay ka hanala baraka an'Andriamanitra. Raha raisina ho mpitaiza ny fitsapana rehetra dia hitondra fifaliana. Hampandroso, hanandratra, hahamendrika, ho manitry ny teny sy ny asa tsara ny fiainam-pivavahana manontolo.

Aoka hanjaka ao amin'ny fanahinao ny fiadanan'Andriamanitra, dia hanana hery ianao hiaretana ny fahoriana rehetra, ary ho faly noho ny fahasoavan'Andriamanitra nanome anao fahaiza-miaritra. Derao Andriamanitra, ambarao ny fahatsarany, torio ny heriny. Ataovy izay hahatsara ny rivo-piainana manodidina ny fanahinao (...). Miderà amin'ny fo sy ny fanahy ary ny feo; derao Ilay famonjena ny tavanao, Mpamonjy anao, sy Andriamanitrao. — GAG, t. 325. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal