Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandrandrà

Daty
Sabotsy 31 August 2024

 "Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vitra ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan’i Jehôvah izy ho valin 'ny fahotana rehetra nataony." - Isa. 40:1,2. 

Mofon’aina:
Nampahafantarina ny fiangonana ny planina mandrakizain' i Jehôvah, tamin'ny fotoana faran'izay manjombona niadiany tamin'ny ratsy. Navela hahita ny fandresena ho avy izy teo anivon'ny fotoan-tsarotra nolalovany, dia ny fifaranan'ny ady sy ny fandraisan'ny voavotra ny Tany nampanantenaina. Ireo fahitana momba ny voninahitra ho avy ireo, (...) dia tokony ho sarobidy amin'ny fiangonany ankehitriny, dia amin'izao firimorimon'ny fifaranan' ilay ady efa naharitra ela izao, ka efa ho tanteraka amin'ny fahafenoany ireo fitahiana nampanantenaina.

Ho antsika izay eo an-katoky ny fahatanterahan' izany, ny famariparitana ireo zavatra ho avy ireo dia manan-danja sy iankinan' aina tokoa — trangan-javatra izay, hatramin'ny fotoana nanalaviran'ireo ray aman-drenintsika voalohany an'i Edena, dia nandrasan' ireo zanak' Andriamanitra sy nandrandrainy, ary niriny fatratra sy nivavahany mba ho tonga!

Ry mpivahiny namako, mbola ao anatin'ny aloka sy ny hotakotaky ny raharahan' izao tontolo izao isika, saingy tsy ho ela dia hiseho ny Mpamonjintsika, hitondra fanafahana sy fitsaharana. Aoka isika hibanjina amim-pinoana io hoavy feno hasambarana io, araka ny nanoritsoritan'Andriamanitra azy. Mamoha midanadana ny vavahadin'ny Paradisa Ilay maty noho ny fahotan'izao tontolo izao, ho an'izay rehetra mino Azy. (...) Tsy ho ela dia ho hitantsika Ilay niorenan'ny fanantenantsika ny fiainana  mandrakizay. Toa tsinontsinona ireo fitsapana sy fahoriana teto amin'ity fiainana ity eo anatrehany.

"Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby an-tsaina akory aza". "Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain 'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy". "Fa ny Isiraely kosa ho vocrvonjin'i Jehôvah amin 'ny famonjena mandrakizay, tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay hianareo. " Isa. 65:17; Heb. 10:35-37; Isa. 45:17.

Andrandrao ny masonareo! Atrakao ny fijery! Aoka hitombo hatrany ny finoanareo! Aoka izany no hitarika anareo eo amin'ilay lalàna ety mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanànan'ny lanitra, fidirana ao amin'ny voninahitra lehibe sady tsy manam-petra voatahir) ho an'ny voavotra. — GAG, t. 372. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal