Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vohay ny varavarankelin'ny fanahy

Daty
Zoma 06 September 2024

"Mitadiava an 'i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." - 1 Tant. 16:11. 

Mofon’aina:
Izao ankehitriny izao indrindra no fotoana tokony hamohantsika ny varavarankelin'ny fanahy ho an'ny lanitra ary hanidiantsika ireo varavarankely mampitodika antsika amin'ny zavatry ny tany. Izao no fotoana tokony hilazan'ny mambran'ny fiangonana rehetra hoe: "hakatoko ny foko tsy hidiran'ny zavatra rehetra izay mety hanembantsembana ny firaisako amin' i Kristy (...)." 

Ilain'ny mpino ny miresaka amin' Andriamanitra momba ny ilany manokana ny Fanahy Masina. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no ho antoka ho azy ireo. Ny lanitra manontolo no manasa antsika handray ny taratra mamirapiratr 'ilay Masoandron'ny Fahamarinana ho ao amin'ny fiainantsika. Raha miresaka momba ny finoana sy ny fanantenana ary ny herim-po isika, dia hatanjaka ny fanahintsika, ary hitombo ny fanantenana sy ny herim-po ary ny finoantsika. Aoka hokatsahintsika izany fanomezan-dehiben'ilay Masoandron' ny Fahamarinana izany, mba hamirapiratany eo amin'ny fiainantsika ka hiampitany amin'ny hafa. Andeha isika hitady ny Tompo mba hianarantsika ny fomba hanatontosana ny asany eto an-tany. Hahatonga antsika ho misiônera mahomby izany (...). 

Aoka tsy hatao tsirambina ireo zavatra madinika, eo amin'ny fanompoantsika ny Tompo. Toy ny lamba tenomina ny fiainan'ny olombelona tsirairay avy, koa raha tontosa sy lavorary ny lamba iray dia satria nampiasainatamim-pitandremana fatratra sy tamim-pahatokiana ny kofehy tsirairay. Ny fahasoavan' i Kristy no hahazoantsika manenona tsara sy amim-pahakingana. lsan'andro no tokony hanaovantsika ezaka manokana mba hahatonga antsika hihatsara. Tokony hampiasaintsika isan'andro ny fahalalana amin'ny maha-Kristianina antsika eo amin'ny asa fanatanj ahana ny malemy sy fampaherezana ireo kivy. Fizahan-toetra lehibe no hihatra amin'ny fanahy tsirairay. Moa ve isika tsy hiasa, hiambina sy hivavaka ary hidera ny Tompo? (...) Betsaka tokoa ny zavatra verin'ny mpino maro noho ny fanaovany an-tsirambina ny fikatsahana ny Tompo amin'ny fo tokoa sy amin'ny finoana tsy azo hozongozonina.

Hiteraka finoana ao am-pon'ny hafa ny teny ambara sy ny asa atao amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena (...). Tokony hianatra hiteny amin'ny fahalemem-panahin' i Kristy isika, ary tokony hiseho eo amin'ny asantsika sy ny toe-tsaintsika fa manompo ny Tompo isika. - TDG, t. 75. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal