Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Kristianina be fiantrana

Daty
Alakamisy 12 September 2024

"(...) Fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy." - Jao. 14:30. 

Mofon’aina:
Nanome ohatra ny amin'ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiangonany ny Mpamonjy teo amin'ny fahazarana rehetra teo amin'ny fiainany. Ambarao amin'ny olona izany. Irin'i Kristy ny haneho ny fiangonany ho tsy misy tsiny na pentina, eo anatrehan'ny Ray.

 Feno fahantrana ny fiainan'ny Mpamonjy, hatramin' ireo taona voalohany indrindra niainany. Nolanina tamin'ny asa mafy ireo andron'ny fahazazany. (...) Matetika Izy no sasatry ny asa. Velona tao anatin'ny vanim-potoana feno faharatsiam-pitondrantena Izy nefa tsy mba voaloton'ny faharatsiana izay nanodidina Azy, tsy nandaitra taminy ny hery miasa manginan'ny toetran' ireo (...) ratsy fanahy. Teny an-tsaha sy teo anivon'ny zavaboary no nahitany fitsaharana tamin'ny asa mafy, ary koa nahitany hanina ho an'ny fiainany ara-panahy. Tsy mba ivelambelany fotsiny ny fijeriny ka nanangona fahalalana avy tamin'ireo zava-miafin'ny natiora izay nameno Azy fiadanana sy fifaliana Izy.

Nandritra ireo taona nanaovan'ny Mpamonjy asa fanompoana dia tsy nitsahatra nanara-maso Azy ireo olona fetsy sy mpihatsaravelatsihy. 

Nanara-dia Azy mandrakariva ny mpitsikilo mba handray ny teny sasany miloatra ny molony ka hampiasa izany hanamelohana Azy. (...) Nisy fotoana izay namelaran'izy ireo fandrika ho Azy ka nametrahany fanontaniana taminy. Nantenain'izy ireo tamin' izany fa ny Valinteniny no hanamelohan'ny vahoaka Azy. Kanefa ny fiezahana rehetra nataon'izy ireo dia nampiala azy teo amin'i Jesôsy tamin-kenatra; nasehon'ny valintenin' i Kristy niharihary ny tena toetry ny asan'izy ireo. Naneho herin'ny fahamarinana tamin'ireo vahoaka marobe izay nihaino ny lahatenin'ny Mpamonjy. Na ireo lehilahy izay nirahina hanara-maso miafina ny Asany aza dia voatery nanao tatitra toy izao tamin'izay naniraka azy: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany" - Jao. 7:46. (...)

Aoka ho feno fahasoavana ny resaka ataonao, satria mihaino ny teny ataonao i Kristy. Aoka hameno ny teny rehetra ataonao ny fangorahana; amin'izany no hanehoanao ny toetran'i Kristy. (...) Tokony hanana ny toetrany isika amin'ny maha-mpanara-dia Azy antsika. Ilaintsika ny mianatra isan'andro amin'ilay Mpampianatra lehibe, mba ho fenon'ny fiainana ara-panahy ny rivotra manodidina ny fanahy.- TDG, t. 143

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal