Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

November 2024

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Izay mahalala ny Ray dia mahalala ny Zanaka

Manerana ny filazantsaran'i Jaona, dia lazalazain'ilay Apôstôly ny fanaovan'i Jesôsy, ilay Zanaka, ny asa izay manondro ny Ray. Hazavain'i Jesôsy hoe iza ny Ray ary asehony ny Fifandraisany amin'ny tontolo misy antsika. Mifanaraka amin'ny Jao. 1:18 izany rehetra izany, izay milaza fa mampahafantatra ny Ray Izy (Grika exegeomai: manazava, maneho). Imbetsaka i Jesôsy no manao izany. In-136 no ahitana ny teny hoe Ray (pater) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary in-18 kosa ao amin'ny 1 Jaona hatramin'ny 3 Jaona. Maherin'ny iray ampahatelon'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany.

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - I Jesôsy sy ny Ray

Noharian‘Andriamanitra telo izay iray mba hanana fifandraisana manokana Aminy isika (Gen. 1:26,27). Noho ny fisian'ny fahotana anefa dia nikorontana tanteraka izany fifandraisana izany. Hitantsika ao amin'ny tantara niseho tao amin'ny saha Edena ny vokatra mivantana avy amin'izany fikorontanana izany.

Vakio ny Gen. 3:7-9. Ahoana no anehoan'izany ny hantsana nateraky ny fahotana, ary inona no dikan'ny hoe Andriamanitra no nitady azy ireo ta tsy ny mifanohitra amin'izany?

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ilay Ray any an-danitra

Nosoratana avy amin'ny fomba fijerin'ny tantara fototra ao amin'ny Baiboly ny filazantsaran'i Jaona; miantomboka amin'ny niandohantsika izany. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany." Gen. 1:1. Na koa hoe: Tamin'ny voalohany Andriamanitra Ray, sy Zanaka ary Fanahy Masina nahary ny lanitra sy ny tany. Izy ireo no loharanon'ny zavatra izay misy rehetra. Izy ireo no namorona an'izao rehetra izao sy ireo mponina ao aminy. Nisy famoronana fiainana manokana teto amin'ny planetantsika, ary miavaka indrindra tamin'izany ny famoronana ny olona.

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 14:10,24; Gen. 3:7-9; Jao. 16:27,28; Jao. 16:7-11; Jao. 17:1-26.

Tsianjery:

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." Jao. 14:26

Misaina ny zavatry ny lanitra

 "Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry." - Apôk. 7:14.

Mofon’aina:

Tonga soa ao amin'ny tananan'Andriamanitra

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23.

Ho tafahaona indray ny mpianakavy

  "Izao no lazain 'i Jehôvah: atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray." - Jer. 31:16,17.

Hifankafantatra isika

"(...) fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy." - 1 KOr. 13:12

Ny fananganana ireo marina amin'ny maty

"Mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty." - Isa. 26:19.

Fanambarana ny andro sy ny ora hiavian'i Kristy

"Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza afa-tsy ny Ray ihany." - Mat. 24:36.

Mofon’aina:
Re avy any an-danitra ny feon'Andriamanitra manam-bara ny andro sy ny ora hiavian'i Jesosy sy milaza ny fanekena mandrakizay amin'ny vahoakany. Tahaka ny firiatry ny kotro-baratra faran'izay mafy no firohondrohon'ny feony mamakivaky ny tany.

Nahafantatra izany feo izany ary nahatakatra izay voalazany ireo olona masina 144.000; ny ratsy fanahy kosa nihevitra fa kotroka sy horohoron-tany izany.

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal