MIFIKIRA AMIN'ANDRIAMANITRA
Ny hany fomba tsy hahalatsaka ny Isiraely amin'ny fakam-panahin'ny fanompoan-tsampy sy ahafahany miala ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy ny mitadidy mandrakariva ireo "aza..." ao amin'ny fanekena tsy akory, fa ny fampitomboana ny fanoloran-tena marina sy ny fahatokiana amin'i Jehôvah . Ilay matoanteny nadika hoe "mifikitra, na misarangotra" amin'i Jehovah (jereo ny Deo. 4:4), no ampiasaina koa hilazana ny fanekem-panambadiana eo amin'ny lahy sy vavy (Gen.