Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampidirana

Daty
Sabotsy 16 December 2023

Iray amin'ireo tantara mampahery indrindra ao amin'ny Baiboly, momba ny "asa fanompoana mifandraika amin'ny kolontsaina maro" no hita ao amin'ny bokin'i Estera. Betsaka ny zavatra nosoratana an'arivo taona momba io boky io, ary hatramin'izao fotoana izao aza dia Jiosy maro no mankalaza ny fetin'ny "Pourim" izay mifototra amin'ny Est. 9:26-31.

Jiosy nonina tao Sosana renivohitry ny fanjakana persianina i Estera sy i Môrdekay dadatoany. Noho ny antony manokana dia nijanona niaraka tamin'ireo Jiosy sasany tao amin'ny firenena nitanana azy ho babo izy ireo, fa tsy niverina tany amin'ny tanin'i Joda tahaka ireo Jiosy hafa.

Dia tonga mpanjakavavy i Estera rehefa nandalo toe-javatra maro izay nitantanan'Andriamanitra azy. "Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty."- Est. 2:17.

Tamin'izany anjara toerana izany no nahafahan'i Estera nitana andraikitra lehibe teo amin'ny tantara ara-Baiboly, na dia tsy araka ny sitrapony loatra aza izany. Amin'ny fomba miavaka no anehoan'io tantara io fa afaka mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana ny vahoakan' Andriamanitra na dia any amin'ny toerana maha-vahiny azy aza.

Araka ny fotoana anananao, vakio (na ataovy indray mitopy maso) ny bokin'i Estera ho an'ny fianarana amin'ity herinandro ity.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal