Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 24 May 2024

Mariho ny fomba anoritsoritana ny asan'i Jesôsy ho antsika eo amin'ny fitsarana sy ny anjara asantsika: "Tsy manala tsiny ny fahotany Jesôsy fa asehony kosa ny fibebahany sy ny finoany ka mitaky famelan-keloka ho azy lzy. Asandrany eo anatrehan'ny Ray sy ny anjely masina ireo tanany voaratra, ka hoy Izy hoe: Fantatro amin'ny anarany izy. Efa vita tombo-kavatsa eo amin'ny tanako izy. Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona' Ary hoy lzy amin'ilay mpiampanga ny vahoakany:" Hananatra anao anie Jehôvah , ry Satana; eny, Jehôvah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao.'" - HM, t. 500.

"Ny fanehoana ny vahoakan'Andriamanitra mijoro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fitafiana maloto dia tokony hiteraka fanetren-tena sy fandinihana lalina ny fo eo amin'ireo rehetra mitonona ho Kristianina. Ireo izay manadio ny fanahiny amin'ny fankatoavana ny fahamarinana dia hanana fiheverana feno fanetren-tena indrindra momba ny tenany. Arakaraka ny ahitany akaiky kokoa ny toetran'i Kristy tsy misy pentina no hahamafy ny faniriany hanahaka Azy, ary hampihena ny fahitany fahadiovana na fahamasinana eo amin'ny tenany. Tokony hahatsapa ny maha-mpanota antsika isika ka hiantehitra amin'i Kristy ho fahamarinantsika sy fanamasinana antsika ary fanavotana antsika. Tsy afaka mamaly ny fiampangana ataon'i Satana antsika isika. i Kristy irery ihany no afaka manao fiarovana mahomby ho antsika. Afaka mampangina an'ilay mpiampanga amin'ny tohan-kevitra miorina amin'ny fahamendrehany fa tsy amin'ny fahamendrehantsika izy." - Ellen G. White, TFC, b. 5, tt. 471, 472.

"Velona amin'ny Andro Fanavotana lehibe isika izao. Tamin'ny fanompoam-pivavahana tandindona, raha mbola nanao fanavotana ho an'ny Isiraely ny mpisoronabe, dia nasaina nampahory ny fanahiny ny olona rehetra tamin'ny alalan'ny fibebahany ny amin'ny fahotana sy ny fietren-tena eo anatrehan'i Jehôvah , fandrao hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka izy. Amin'ny fomba toy izany koa, dia tokony hampahory ny fanahiny eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ireo izay ta-hanana ny anarany tsy ho voakosoka ao amin'ny bokin'ny flainana amin'izao andro kely sisa mbola haharetan'ny fahasoavana ho azy izao, ka halahelo ny amin'ny fahotana sy hibebaka marina." - HM, t. 506 

FANONTANIANA hifanankalozan kevitra :
1. Inona avy ireo fihetseham-po ateraky ny fieritreretana fa manangana ireo tanany voaratra ho antsika manoloana ny Ray i Jesôsy? Nahoana izany no hany fanantenantsika amin'ny fotoam-pitsarana?

2. Miaina amin'ny Andro Fanavotana isika. Ny fanavotana no asan'Andriamanitra izay manavotra ny mpanota very. Nahoana ary no tokony ho vaovao mahafaly ny andro izay atokana ho amin'ny asan'Andriamanitra izay mamonjy ny mpanota?

3. Mariho izay nosoratan'i Ellen G. White: "I Kristy irery no afaka manao fiarovana mahomby ho antsika. Azony atao ny mampangina ilay mpiampanga amin'ny tohan-kevitra mifototra amin'ny fahamendrehany fa tsy amin'ny fahamendrehantsika." - ARSH, 2 janoary 1908. Ahoana no handraisanao izany fanantenana izany ho an'ny tenanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal