Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 07 June 2024

Boky iray nosoratan'i Lee Strobel mitondra ny lohateny hoe The Case for Heaven" no mifototra amin'ny hevitra manambara fa mbola velona ao anatin'ny karazam-pahatsiarovan-tena ny maty, ka ny "experiences de mort imminente (EMI)" no nampiasaina ho anisan'ny "porofo". Ohatra iray ity: "Ankizy vavy iray izay niaina ny EMI nandritra ny fandidiana fo natao taminy no nilaza fa nihaona tamin'ny anadahiny tany ankoatra, nahagaga azy izany satria tsy manana anadahy izy. Rehefa sitrana izy taty aoriana ka nitantara izany tamin-drainy dia nambaran'ity farany taminy fa nanana anadahy tokoa izy saingy maty nialoha ny nahaterahany io anadahiny io." — Lee Strobel, The Case for Heaven (Grand Rapids, MI: Zondervan Books, 2021), t. 69. Mitolona mafy anefa i Strobel mba hampifandrindra ny hevitra momba ny fiainana aorian'ny fahafatesana amin'ny fampianaran'ny Baiboly mazava fa tsy handray ny valin'asany farany ny Kristianina raha tsy amin'ny fiverenan'i Kristy.

Efa nampitandremana isika: Maro no hifanehatra amin'ny fanahin'ny demonia izay hiseho ho ray aman-dreny na namana tiana indrindra ka manambara ny fihemorana mampidi-doza indrindra. Hisarika ny fitiavantsika mamy indrindra ireo vahiny ireo ka hanao fahagagana hanohanany ny filazany. Tokony ho vonona isika hanohitra azy ireo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly izay milaza fa ny maty dia tsy mahalala na inona na inona ary ireo izay miseho toy izany dia fanahin'ny demonia.

"Manoloana antsika indrindra izao ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany'. Ho voafitaka sy ho resy izay rehetra tsy manana ny finoana mafy orina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Miasa amin'ny fahagagana mandainga rehetra i Satana mba ahazoany manapaka ny zanak'olombelona, ary hitombo hatrany ihany ny fitaka ataony. Tsy hahavoa anefa ny tetiny raha tsy milefitra an-tsitrapo amin'ny fakam-panahy ny olona. Izay mitady amin'ny fony rehetra hahalala ny fahamarinana ka miezaka ny hanadio ny fanahiny amin'ny alalan'ny fankatoavana, ary miomana araka izay azony atao amin'izany hiatrika ny ady dia hahita fiarovana azo antoka ao amin'llay Andriamanitry ny fahamarinana. `Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao', hoy ny teny fikasan'ny Mpamonjy. Aleony mandefa ny anjely rehetra any an-danitra hiaro ny vahoakany toy izay hamela ny fanahy iray izay matoky azy ho resin'i Satana."– HM, t. 584.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra 
1. Inona avy ireo fitaomana ankolaka momba ny filalaovana angatra azon'i Satana ampiasaina hisarihana ny saina? lnona ny anjara asa tanan'ny haino vakijery?

 2. Ahoana no hizaranao ny finoana amin'ny namana 'ray izay vao namoy olon-tiana ary mino fa io olon-tiany io dia any an-danitra? Inona no azo lazaina ary inona no tsy tokony holazaina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal