Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HAZO IRAY VOAOZONA SY TEMPOLY NODIOVINA

Daty
Alatsinainy 26 August 2024

Vakio ny Mar. 11:12-26. Inona no hevitr'ireo toe-javatra tantaraina eto?

Noana i Jesôsy ny maraina, raha avy any Betania, 3km mahery miala an'i Jerosalema. Nahita aviavy iray nandravina Izy ka nankeo aminy mba hizaha ny voany. Tsy heverina ho fangalarana izany fihetsika izany satria araka ny lalàn'ny Testamenta Taloha dia azon'ny olona iray atao ny mihinana ny hanina eo amin'ny sahan'ny namany na koa ny hazo fihinam-boa mba hampitony ny hanoanany (Lev. 19:9; Lev. 23:22; Deo. 23:25). Tsy nahita voa teo anefa Izy ka niteny tamin'ilay hazo hoe: "Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizaY' - Mar. 11:14. Fihetsika mahagaga no sady tsy fanaon'i Jesôsy izany, kanefa manaitra kokoa aza ny zava-niseho taorian'izany.

Tao amin'ny Kianjan'ny Jentilisa no niseho ny toe-javatra manaraka izany, toerana fivarotana ireo biby hatao fanatitra (izay vao natombok'i Kaiafa tsy ela akory). Noroahin'i Jesôsy ireo mpivarotra rehetra tao an-kianja mba hiverenan'ny fanompoam-pivavahana amin'ny filaminana sy ny fahanginana. Namely mivantana ireo tompon'andraikitra tao amin'ny rafi-pandaminan'ny tempoly izany fihetsiny izany.

Nampifandray andalan-teny roa ao amin'ny Testamenta Taloha i Jesôsy mba ho fitenenana mafy ilay fifanakalozam-barotra tsy masina. Notsindriany ny maha-trano fivavahana ho an'ny olona rehetra ny tempoly (Isa. 56:7), anisan'izany ny Jentilisa. Rehefa izay dia nambarany fa ataon'ireo mpitarika ho zohy fieren'ny jiolahy ny tempoly (Jer. 7:11). Tamin'ny fiafaran'io tontolo andro nahagaga io dia nandao ny tanàna niaraka tamin'ireo mpianany I Jesôsy (Mar. 11:19).

Ny ampitso marainan'io, akory ny hagagan'ireo mpianatra rehefa niverina tao an-tanàna ka nahita ilay aviavy nalazo hatramin'ny fakany. Nanome lesona mikasika ny vavaka sy ny famelan-keloka i Jesôsy raha nanazava izay nitranga. Inona moa no hevitr'izany rehetra izany?

Ireo tantara roa ireo no "Sandwich story" (tantara mifanosona) fahefatra ao amin'ny filazantsaran'i Marka (jereo ny lesona 3). Ao anatin'ireny karazan-tantara ireny, dia misy toe-javatra toa mifanipaka sy mpandray anjara mitovy izay manao asa mifanohitra na koa mpandray anjara mifanohitra izay manao asa mitovy. Ny aviavy sy ny tempoly no ampilaharina ao amin'ity tantara ity. Nanozona ilay hazo i Jesôsy kanefa nanadio ny tempoly, asa izay ahitana fifanoherana izany. Ny toe-javatra toa mifanipaka indray dia ny fikotrehan'ireo mpitondra fivavahana tetika hamonoana an'i Jesôsy, kanefa izany indrindra no hamarana ny lanjan'ny fanompoam-pivavahana fanao ao amin'ny tempoly, izay tanteraka ao amin'i Jesôsy.

Inona ao amin'ny fiainanao no tianao hodiovin'i Jesôsy? Ahoana no isehoan'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal