Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FIFANANDRINANA MANANONTANONA

Daty
Sabotsy 08 June 2024

Sabata hariva 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 14:7, 9, 12; Apôk. 4:11; Apôk. 13:1, 2; Apôk. 12:3-5, 17; Apôk. 13:11-18.

Tsianjery: "Manamasìna azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." — Jao. 17:17.

Misy fitaovana ara-pitsaboana vaovao antsoina hoe "biopuce" na "puce électronique", izay mitovy habe amin'ny voam-bary iray azo ampidirina ao amin'ny marary. Ahitana ny mombamomba ny fitsaboana efa natao tamin'ilay marary izany, izay azo fantarina rehefa ampandalovina eo amin'ny "scanner" ny faritra nametrahana ilay biopuce. Ny Kristianina sasany dia mihevitra izany ho isan'ny fifanarahana miafina mikendry ny hampidirana ny mariky ny bibidia. Ho an'ny hafa indray, ny mariky ny bibidia dia mifandray amin'ny fehezan-tsipika eny amin'ireny boaty fitehirizan-tsakafo ireny na koa amin'ny tarehimarika miafina eo amin'ny ravim-bola ka ny fitambaran'izany dia manome ny isa 666. Ho an'ny sasany kosa dia baiko avy amin'ny franc-maçon, ny Illuminati, ny helikôptera maintin'ny ONU sy ny Firenena mikambana izany.

Ny tanjon'ny lesona amin'ity herinandro ity dia ny hampahafantatra ny fifanandrinana hoavy mikasikany fiankohofana. Hihantsy ny fahefan'Andriamanitra i Satana amin'ny fiezahana hanozongozona ny lalany. Raha lazaina mivantana dia ho tonga ivon'ny ady maneran-tany momba ny fiankohofana ny Sabata. Halan'i Satana ny Sabata satria halany ny Mpahary. Hampiasa ny fanerena hanoa lalana, sy ny herisetra ary ny fandrahonana izy mba hampitsaharana ny fanolorantsika tena ho an'i Kristy. Hisy ny fifandonam-pinoana mikasika ny andro fiankohofana marina sy ny sandoka. Ny antson' Andriamanitra farany dia antso ho amin'ny fahatokiana amin'i Kristy na dia eo aza ny fanenjehana, ny sazy ara-toe-karena, ny fampidirana am-ponja ary ny didy fampamonoana.

Ny lesona amin'ity herinandro ity dia manasongadina ny herin'i Jesôsy izay hitondrany antsika ho tafavoaka amin'ny ady farany eto an-tany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal