Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Mandinika ny teny.

Daty
Alarobia 02 April 2025

Nanampy betsaka ny Advantista ho amin'ny fahatakarana ny faminaniana ara-Baiboly i William Miller. Tsy takany tamin'ny fahafenoany ireo andalan-teny fototra (tahaka ny Dan. 8:14), nefa nanana ny lanjany ny fomba fandalinany satria nanamboatra ny lalana ho amin'ny fahaterahan'ny fihetsehana misy antsika izay sisa amin'ny andro farany.

Vakio ny Mat. 5:18; 2 Tim. 3:15-17 ary ny Lio. 24:27. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fomba tokony handinihantsika ny faminanian'ny Baiboly?

Amin'ny lafiny iray, dia azo ampitahaina amin'ny fanambarana piozila lehibe iray ny fandinihana ny Baiboly. Raha ampahana piozila roa na telo monja no atambatrao dia tsy azo heverina mihitsy ny hahalalanao ilay sary iray manontolo avy amin'izany. Mety hahita soavaly ianao eo amin'ireo ampahany roa na telo ireo ka hanatsoaka hevitra fa sarin-tsoavaly no atambatambatrao. Maneho sarin'akoho kely sy omby anefa ny ampahany hafa amin'izany piozila izany, ary rehefa nahatambatra sarisary an-jatony ianao dia hahita amin'ny farany fa sarin-javaboary ilay sary manontolo, izay ahitana tanana sy toeram-piompiana ary tangoron-tendrombohitra eny lavitra eny.

Anisan'ny fahadisoana fototra mpahazo ny Kristianina sasany eo amin'ny fandalinany ny Baiboly ny fandraisany ny Soratra Masina ho toy ny amboaran'ohabolana na fomba fiteny izay azony ampiasainy manoloana ny toe-javatra iray manokana. Ny hafa indray dia mijery ny toromarika madinidinika momba ny fandalinana ny Baiboly ao amin'ny pejy voalohan'ny Baiboly vokarin'ny "Gideons International" izay ahitana toko sy andininy mifanentana amin'ny lohahevitra samihafa, ary amin'izany no iheveran'izy ireo fa izany no mampiseho ny fampianaran'ny Baiboly manontolo mahakasika ny lohahevitra anankiray.

Mampalahelo fa tahaka izany koa no ataon'izy ireo rehefa mandinika ny faminaniana; esoriny avy ao amin'ny tontolon-kevitra misy azy ny andinin-tSoratra Masina iray ary ampitahainy amin'ny toe-javatra mitranga fa tsy amin'ny Baiboly manontolo. Anisany mahatonga ny fisian'ny boky môderina marobe momba ny faminaniana izay mila havaozina isan-taona izany, noho izy ireny ahitana fahadisoana eo amin'izay nolazainy fa hitranga sy ny fotoana hitrangan'izany.

Izany no maha-zava-dehibe tokoa ny tsy fifidianana fotsiny toko sy andininy manokana momba ny lohahevitra iray fa ny fandalinana amim-pitandremana kosa ny zavatra rehetra ambaran'ny Baiboly mahakasika izany lohahevitra izany ary koa ny fandinihana ny tontolon-kevitra manodidina izany. Mora ny misintona andalan-teny hiala amin'ny tontolon-kevitra misy azy ka hamoaka hevitra araka izay tiantsika.

Inona ny fanandramana efa niainanao mahakasika ireo olona mampiasa toko sy andininy sasany nofantenana ka miezaka manazava ny heviny mahakasika ny toetry ny maty, ohatra, na koa ny Sabata? Inona no fomba tsara indrindra hamaliana azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal