Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Ry Daniela ahoroninao ny teny.

Daty
Talata 01 April 2025

Vakio ny Dan. 12:4. Inona no nambaran'Andriamanitra tamin'i Daniela teto? (Ampitahao amin'ny Apôk , 22:10) 

Fandre matetika ny fampiasan'ny mpitoriteny maro ny Dan. 12:4  izay nilaza mialoha ny amin'ny fitomboan'ny fahalalana ara-teknolojia sy ara-tsiansa mialoha indrindra ny fiverenan'i Kristy fanindroany. Maro koa no mampiasa izany hoenti-miresaka momba ny fandrosoana eo amin'ny hafainganam-pandehan'ny fitaovam-pitaterana hatramin'ny taonjato lasa teo. Maro amin'ireo bokintsika no mandray izany hevitra izany. Azo raisina ho fanazavana mitombina tokoa izany, nefa mety ho hafa noho izany koa ny hevitr'io toko sy andininy io.

Vakio indray ilay toko sy andininy. Manomboka amin'izao baiko izao ny toromarika nomen'ilay anjely an'i Daniela: "Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy." Ny bokin'i Daniela ihany no resahina eto. Araka izany, azo heverina ve fa ny fahalalana io bokin'i Daniela io no hitombo vetivety foana amin'ny andro farany?

Mampiseho ny tsy fitovian'ny bokin'i Daniela amin'ny Apokalipsy izany, izay nilazana tamin'i Jaona mba tsy hanisy tombokase ny bokiny (Apôk. 22:10). Hatramin'ny voalohany dia natao ho takatry ny olona ny bokin'ny Apôkalipsy, satria "antomotra ny andro." Ny bokin'i Daniela kosa dia ho takatra mazava kokoa any amin'ny fotoana hoavy lavidavitra.

Betsaka ny manam-pahaizana kristianina niezaka nanazava ny bokin'i Daniela, tao anatin'ny taonjato maro, ary nanao dingam-pandrosoana lehibe ny sasany tamin'izy ireny. Nitombo haingana ny fahatakarana ny bokin'i Daniela, tamin'ny fiafaran'ny faminaniana momba ny 1260 taona, izay tapitra tamin'ny 1798, rehefa nanomboka nanao tsoa-kevitra ny mpamakafaka ny Baiboly maro fa hisy toe-javatra manaitra hitranga manodidina ny taona 1843. Nisongadina indrindra tamin'ireny anefa i William Miller, izay nanao toriteny nitarika ho amin'ny fihetsehana lehibe mifandraika amin'ny Fiverenan'i Kristy tamin'ny taonjato faha-19 ary koa nanomboka hetsika nitohitohy izay niafara tamin'ny fahaterahan'ny fiangonana "sisa" sy ny fahatakarana mazava ny hafatry ny anjely telo.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fahaterahan'ny fihetsehana maneran-tany izay misy antsika dia ny faminanian'i Daniela izay tanteraka fa "hitombo ny fahalalana" amin'ny "andro farany."

Etsy ankilan'izany kosa, tsy natao hitsarana momba ny famonjena ny olona tsy akory, saintsaino ny amin'ny "haizina" misy ao amin'ny tontolo kristianina ankehitriny. Odian-tsy hita, ary ailika mihitsy aza, ny fahamarinana manan-danja tahaka ny Sabata andro fahafito izay naorina tany Edena ka apetraka eo amin'ny toerany ny Alahady izay naorina tamin'ny andron'ny fanompoan-tsampy romanina. Eritrereto koa ny tsy fahalalan'ny olona na inona na inona mikasika ny fahafatesana. Ny ankamaroan'ny Kristianina dia mino ny hevitra nasisiky ny mpanompo sampy izay milaza fa manidina avy hatrany ho any amin'ny fiainana hafa ny maty, ary ho an'ny hafa indray dia midika ho afobe mirehitra mandrakizay koa izany.

Eo anatrehan'izany, dia tokony ho velom-pankasitrahana isika, ary hanetry tena, noho ny fahalalantsika ny fahamarinana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal