Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Tian’Andriamanitra ho takatsika izay lazainy.

Daty
Alatsinainy 31 March 2025

Tsy misy zavatra miteraka fahasorenana tahaka ny filan'ny olona iray miresaka amin'olona, ao amin'ny toeram-pitsaboana na fivarotam-panafody ohatra, raha any amin'ny firenena iray izy nefa zara raha hainy ny fiteny ao. Hainy izay tokony holazainy saingy tsy hitany ny voambolana mahalaza tsara izany.

Olana samy hafa amin'izany no miseho eo amin'Andriamanitra. Hoy Izy: "Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo." Isa. 55:9. Tsy ny tsy fananan'Andriamanitra voambolana hoentina mifandray amintsika no olana fa ny tsy fananantsika voambolana na fahalalana hoenti-manakatra amin'ny fahafenoany izay tiany hambara.

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fahasamihafan'ny fahatakaran'Andriamanitra sy ny fahatakarantsika?

Sal. 139:1-6
………………………………………………………………………….………………………………………
Sal. 147:5 ………………………………………………………………………….………………………………………

Rôm. 11:33 ………………………………………………………………………….………………………………………

1 Jao. 3:20 ………………………………………………………………………….………………………………………

Raha ny marina dia tsy ho takatsika amin'ny fahafenoany na oviana na oviana ny fisainan’Andriamanitra noho ny maha-tsy manam-petra sy mahalala ny zavatra rehetra Azy. Raha ny zavatra rehetra momba ny zavaboary aza tsy takatsika tanteraka, ahoana moa no hananantsika fahatakarana feno momba ny Mpamorona azy? Tsy haintsika izany.

Tsy ho takatsika na oviana na oviana ny momba ny zavatra rehetra saingy azontsika takarina kosa izay ilaina ho amin'ny famonjena antsika. (Jereo ny 2 Tim. 3:14,15). Rehefa nanazava momba ny filazantsara tamin'ireo mpamaky ny epistiliny ireo apôstôly dia matetika izy ireo no niresaka momba ny faminaniana efa tanteraka, avy tamin'izany no nanatsoahany hevitra fa anisan'ny tanjona fototry ny faminaniana ny haneho ny drafi-pamonjena. Amin'ny farany, dia tsy maintsy hitarika antsika hankeo amin'i Jesôsy sy ny teny fikasan'ny famonjena izay atolony ny olombelona rehetra ny faminanian'ny Baiboly, na amin'ny fomba ahoana na ahoana.

Nidina teto an-tany tokoa ny Tompo, izay nahariana ny zavatra rehetra (Kol. 1:16; Jao. 1:1-3), ary nanolotra ny Tenany ho sorona teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotan'ny olombelona rehetra, eny fa na izay fadiranovana indrindra aza. Tahaka izany ny haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika rehetra. Rehefa nanao izay rehetra azony natao ho antsika Izy, dia mazava loatra fa irin'Andriamanitra ny hahalalan'ny olona rehetra ny zavatra atolony ho antsika ao amin'i Jesôsy . Ary ny faminaniana no afaka manatanteraka izany.

Marina fa maro ny zavatra tsy fantatsika, nahoana anefa no zava-dehibe ny mifantoka amin'izay fantatsika sy ny manaraka izany fa tsy sahiran-tsaina loatra amin'izay tsy fantatsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal