Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.

Daty
Talata 31 March 2026

Rehefa avy niresaka momba ny toetrantsika feno fangatsiahana i Jesosy, dia milaza amintsika fa tokony horesena izany. "Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. - Apôk. 3:21. Ho an'ny sasany amintsika, dia azo heverina fa izany no ady lehibe indrindra mety atrehina ny fahatsapana ny fahalementsika sy ny fiheveran-tenantsika ho zavatra, ny fandraisana ny fananarana ataon'i Jesosy, ny fibebahana, ary ny fandraisana ny akanjom-pahamarinana izay atafiny antsika.

Mahatalanjona ny fahafantaran'i Jesosy ny tsy firaihantsika sy ny toetsika matimaty nefa mbola ampitoviany Aminy hatrany isika (na tsy mba matimaty na oviana na oviana aza Izy). Hoy Izy: "Izay maharesy (...) tahaka ny nandreseko." - Apôk. 3:21. Satria maty hamonjy antsika i Jesosy, dia nandresy ny fahotana sy ny famaizana sahaza izany Izy. Takany ireo tolon'ny fahotana atrehintsika ary mampanantena ny hanampy antsika Izy.

Olona maro ao amin'ny Baiboly no namaly ny fanasan Andriamanitra azy mba hifandray Aminy ao anatin'ny fifandraisana miorina amin'ny fanekena. Izany no tantara na lohahevitra manerana ny Baiboly. Rehefa mijery ny sasany amin ireo olona ireo isika, dia mahita fa samy hafa ny fomba nifandraisan'Andriamanitra tamin'izy ireo, tamin'ny fotoana samy hafa.

Inona no ampianarin'ireto tantara ireto antsika momba ny fomba nifandraisan'Andriamanitra tamin'ny olorna samihafa, tao anatin'ny toe-javatra samy hafa?

Gen. 2:7; Gen. 3:8-10………………………..………………………..………………………..…………..

Gen. 5:24………………………..………………………..………………………..………………………..…

Gen. 6:13………………………..………………………..………………………..………………………..…

Gen. 12:1-4………………………..………………………..………………………..………………………..

Eks. 34:29………………………..………………………..………………………..………………………...

Na niara-nandeha mivantana tamin'ny zanany Andriamanitra, na niteny tamin'izy ireo fotsiny, ny marina dia efa hatrizay Izy no naniry hanakaiky ny olombelona. Na manao ahoana na manao ahoana ny fifandraisanao amin'Andriamanitra amin'izao fotoana izao, dia mbola maniry ny hanakaiky anao Izy. Tahaka izao no ilazan'ny Jer. 31:3,4 izany: "Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina hianao."

Na vao manomboka ny andronao na efa hifarana, Andriamanitra dia mitady sy miandry anao, maniry ny hisintona anao hanakaiky Azy. Iriny ny hanorina - na hanorina indray - ny fifandraisanao Aminy. Raha tsy izany no mitranga, dia tsy avy Aminy ny olana, fa avy aminao.

Inona avy ireo zavatra eo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao, izay raha tsy resena dia mety hanimba ny fifandraisanao amin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal