Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly

Daty
Alahady 30 November 2025

IREO TANDINDONA AO AMIN'NY BAIBOLY

Diniho ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto izay miresaka momba ny tandindona: Rôm. 5:14, 1 Kôr. 10:1-13, Heb. 8:5, ary ny Heb. 9:23,24. Inona no hevitr'ireo tandindona ireo?

Mampiasa ny teny grika hoe typos, nadika hoe "tandindona" na antitypos, ao amin'ny hoe "tena fitoerana masina", ireo andinin-tSoratra Masina ireo mba hilazana ny fomba namaritan'ireo mpanoratra ny TV ny fifarndraisana misy eo amin'ny andalan-tsoratra na tranga iray ao amin'ny TT, sy ny heviny tamin'ny androny, na amin'ny andro hoavy.

Ny fandinihantsika ireo tandindona ireo dia manazava ny fomba anondroan'ny olona, na tranga, na rafi-pitantanana iray mialoha an'i Jesosy na zava-misy hafa voarakitra ao amin'ny filazantsara. Manondro ny tena izy ny tandindona, toy ny lasitra na endrika izay azo avy amina endrika tena izy tany am-boalohany. Ny tena izy anefa no mahatanteraka amin'ny fahafenoany kokoa ny tanjona kendren'ny tandindona. Araka izany, ny tandindona ao amin'ny Baiboly dia maneho tenan-javatra izay efa nisy tao an-tsain'Andriamanitra, na azo tsapain-tanana izany na ara-kevitra, ary izany no namolavolana ireo tandindona izay manambara zavatra hitranga amin'ny hoavy.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy ny hanasongadinana hevitra iray tsy akory no nahatonga ireo mpanoratra ny TV hanazava ny sasany amin'ireo andalan-tsoratra ao amin'ny TT ho tandindon'ny toe-java-mitranga tamin'ny androny. Ny hevitry ny tandindona iray ao amin'ny TT dia efa voazava hatrany ao amin'ireo asa soratra ara-paminaniana mialoha ny hahatanterahany ao amin'ny TV.

Jereo ny fisehoan'i Davida ao amin'ny TT, avy eo ny fomba anehoana azy ao amin'ny TV, amin'ny maha tandindona azy. Inona ny lesona azontsika ianarana momba ny tandindona sy ny asany avy amin'io ohatra io?

a. Davida (Sal. 22:2, 15-19):

b. Ilay Davida vaovao (Jer. 23:5; Isa. 9:5,6; Isa. 11:1-5):

d. Ilay tena Davida (Jao. 19:24):

Rehefa dinihina ireo andininy ireo dia hitantsika fa ao amin'ny TT ihany no misy ny fanalahidy hamantarana ny hevitr'ireo tandindona ao amin'ny Soratra Masina. Izany hoe notarihin'ny Fanahy Masina hampiasa ireo tandindona ao amin'ny TT ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao, izay ny TT no Soratra Masina nananany, mba hanambara ny "fahamarinana izay efa ao aminy" (2 Pet. 1:12), indrindra momba an'i Jesosy sy ny asa fanompoany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal