Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.

Daty
Alatsinainy 07 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 8:1,5 ary ny 2 Kor. 9:7,9,13,15. Inona no hafatra lehibe ampitain'ireo andininy ireo?

Hita manerana ny 2 Kor. 8 sy 9 ireo voambolana momba ny fanomezana: «Ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena (...)» - 2 Kor. 8:1; «ny tenany no natolony (...)» - 2 Kor. 8:5; «Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy (...) fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra» - 2 Kor. 9:7; «Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo» - 2 Kor. 9:9; «izany no ankalazany an'Andriamanitra (...) noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana» - 2 Kor. 9:13; «Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.» - 2 Kor. 9:15. Manomboka sy mifarana amin'ny fitenin'ny fanomezana Ny 2 Kor. 8 sy 9. Aoka hafantotsika amin'ny fanomezana ny saintsika eo am-pamakiana ireo toko roa ireo. Aseho ao ireo antony efatra lehibe tokony hanolorantsika ny fanatitsika:

Fankasitrahana ny fahasoavan'Andriamanitra (2 Kor. 8:1; 2 Kor. 9:14, 15). Manomboka amin'ny fitenenana momba ny «fahasoavan'Andriamanitra» ny 2 Kor. 8-9 (2 Kor. 8:1). Hoy i Paoly any amin'ny and. 9: «Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika». Ny fahasoavan'Andriamanitra sy i Kristy no aseho eto ho toy ny antony voalohany amin'ny fanaovana fanatitra. Be tokoa no efa nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny alalan'i Kristy. Ny fanolorantsika fanatitra ho setrin'izany, dia fanehentsika ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Tahaka ireo teny momba ny fanomezana, dia miverina matetika koa ny teny hoe «fahasoavana» (amin'ny teny grika, charis) ao amin'ny 2 Kor. 8-9. Hita eo am-piandonana sy any amin'ny faran'ireo toko ireo koa ny teny hoe charis (2 Kor. 8:1; 2 Kor. 9:14,15). Ampiasan'i Paoly amin'ny heviny samy hafa io teny io ao amin'ity ampahan-tSoratra Masina ity mba hanasongadinana fa ny fahasoavan'i Kristy eo amin'ny fiainantsika dia miseho amin'ny fahasoavana omentsika ny hafa sy amin'ny fisaorana.

Faniriana hanaraka ny ohatra nasehon'l Jesosy (2 Kor. 8:9). Nanankarena i Jesôsy nefa tonga mahantra. Tokana ihany ny fomba nahatonga izany: nanome ny zava-drehetra Izy. isika kosa, amin'ny alalan'ny fanolorana ny fanatitsika, dia manome fomba hahafahan'ny hafa mahafantatra an'i Kristy.

Faniriana hizara ny fitahian'Andriamanitra (2 Kor. 9:10,11). Manome ho an'ny hafa isika satria isika aloha no nandray avy amin'Andriamanitra. Mampanan-karena antsika Izy mba ho tonga malala-tanana isika.

Fitiavana marina (2 Kor. 8:8, 24). Ny fanomezana no ahafantarana ny fitiavana marina sy mahatoky. Izany no porofo mivaingana indrindra fa mitoetra ao am-pon'ny olona iray ny fitiavana. Araka ny oha-pitenenana hoe: "Ny toky fitaka fa ny atao no hita".

Malala-tanana ve ianao? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, be sa kely no omenao raha ampitahaina amin'izay azonao omena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal