Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Inona ny marina.

Daty
Alahady 15 December 2024

Tsy voalaza an-tsipiriany ny fitsarana an'i Jesosy ao amin'ny Jao. 18:28-32. I Jesôsy nentina teo anatrehan'i Pontio Pilato no asongadina.

Vakio ny Jao. 18:33-38. Inona ny resaka nifanaovan'i Jesôsy sy i Pilato?

Manontany an'i Jesõsy ilay governora raha Izy no mpanjakan'ny Jiosy (Jao. 18:33). lo no voalohany niresahana momba io anaram-boninahitra io, kanefa tsy io no farany. Nanontany an'i Pilato i Jesôsy raha heviny manokana izany na nisy olon-kafa nilaza izany taminy. Mifantoka any amin'ilay governora izao ny fanontaniana; takany tokoa ve Iza no iresahany? Efa mahafantatra ny mpamaky fa i Jesõsy no Mpanjaka. Ary ilay governora?

Fanontaniana no namalian'i Pilato Azy: "Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa ny ataonao?" - Jao. 18:35. Niala ilay fanontaniana i Pilato; tsy te hamaly mazava ilay fanontanian'i Jesõsy izy. lo no dingana voalohany nanalaviran'ilay governora ny fahamarinana ka namelany ny hevitra mibahana mialoha hanampina ny masony.

Nilaza i Jesôsy fa tsy avy eto amin'izao tontolo izao ny fanjakany (Jao. 18:36). Ary dia nanao tsoa-kevitra i Pilato fa tsy nilaza ny tenany ho mpanjaka i Jesôsy (Jao. 18:37). lo no nitarika an'i Jesôsy hanome ilay fanazavana manan-danja fa ny hanambara ny marina no nahaterahany, ary izay rehetra "avy amin'ny marina" dia mihaino ny feony (Jao. 18:37)

Avy eo dia nanontany i Pilato hoe: "Inona no marina?" - Jao. 18:38, kanefa tsy niandry valiny izy fa nivoaka kosa, niezaka namonjy an'i Jesôsy tsy ho hazan'ny vahoaka.

Lohahevitra iray ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny fahamarinana. Amin'ny maha-Teny mandrakizay Azy (logos, Jao. 1:1-5), dia fahazavana sy fahamarinana i Jesôsy. Mifanohitra tanteraka amin'ny haizina sy ny fahadisoana izany. Feno fahasoavana sy fahamarinana i Jesôsy (Jao. 1:14). Tonga tamin'ny alalany ny fahasoavana sy ny fahamarinana (Jao. 1:17). Nanambara ny fahamarinana i Jaona mpanao batisa (Jao. 5:33). Nilaza i Jesôsy fa "marina" ny Rainy (Jao. 7:28). I Jesôsy mihitsy no nandre ny fahamarinana avy tamin'ny Rainy (Jao. 8:40), ary Izy no "lalana sy fahamarinana ary fiainana" - Jao. 14:6. Ny Tenin'Andriamanitra no "fahamarinana" (Jao. 17:17). Na dia nanontany aza i Pilato dia tsy nohararaotiny ny fotoana tokony ho nahafantarany ny marina, noho ny hevitra nibahana tao an-tsainy sy ny fanapahan-kevitra efa noraisiny, ary noho ny tsindry nahazo azy.

Ahoana no fahatakaranao izany hoe i Jesôsy no fahamarinana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal