Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Foana ny fasana.

Daty
Alarobia 18 December 2024

Vakio ny Jao. 20:1-7. Inona no maha-zava- dehibe ho antsika ny toe-javatra voasoritsoritra ao amin'ireo andininy ireo?

Ny folakandron'ny Zoma i Jesôsy no maty, ary ny marainan'ny Alahady no nitsanganany tamin'ny maty. Natao maika ny fandevenana an'i Jesôsy  ary tsy vita tsara araka ny fomba (Jao. 19:42). Na lehibe toy inona aza ny fitiavan'ny mpianatra an'i Jesôsy dia nitandrina ny Sabata izy ireo ary tsy nandeha tany amin'ny fasana (ampitahao amin'ny Mar. 16:1; Lio. 23:56). Taorian'ny Sabata, ny Alahady maraina, dia vehivavy maromaro no nitondra zava-manitra ho any amin'ny fasana. Taitra mafy izy ireo fa efa voakodia ny vato, ary foana ny fasana.

Anisan'ny tonga vao maraina tany amin'ny fasana i Maria Magdalena. Nihazakazaka nilaza tamin'i Petera sy i Jaona ny zavatra hitany izy. Dia nihazakazaka tany koa izy roa lahy, fa i Jaona no tonga talohan'i Petera. Rehefa niondrika nitsirika tao izy dia nahita ny lambam-paty namonosana an'i Jesôsy nipetraka teo. Kanefa tsy niditra izy.

I Petera kosa niditra tao, ary nahita izany koa, saingy hitany fa ilay mosara nafehy ny lohan'i Jesôsy dia tsy niaraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana.

Vakio ny Jao. 20:5-7. Midika inona ilay mosara nafehy ny lohan'i Jesôsy voavalona mitokana?

Rehefa niditra tao amin'ny fasana i Petera dia niditra koa i Jaona. Voalaza ao amin'ny Jao. 20:8 fa niditra izy, dia nahita ka nino. Nahoana ny fahitana ny lambam-paty nipetraka teo sy ilay mosara nivalona mitokana no nahatonga an'i Jaona hino fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy?

Mba hamaliana izany fanontaniana izany dia ilaintsika aloha ny mamantatra ny antony nahafoana ny fasana. Misy ny mpamaky fasana, izany no mety ho tonga ao an-tsaina voalohany. Kanefa tsy mitombina izany noho ireto antony telo ireto: Voalohany, voalaza ao amin'ny Matio fa nambenana ny fasana (Mat. 27:62-66), koa sarotra ihany ny mety ho namakiana azy. Faharoa, izay zavatra sarobidy ao amin'ny fasana no angalarin'ny mpamaky fasana fa tsy faty efa mihaló. Fahatelo, ao anatin'ny fahamaizana no anaovan'ny mpamaky fasana ny asa ratsiny, koa tsy handany andro hamalona lambam-paty izy. Tsy mahagaga, araka izany, raha nino i Jaona rehefa nahita ilay mosara navalona, fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal