Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA -" Izaho no Jehôvah".

Daty
Talata 15 July 2025

"IZAHO NO JEHOVAН"

Nahonena tokoa i Mosesy! Niteny mafy azy i Farao, ary izao dia ny olony indray no manozona azy.

Nitaraina tamin'Andriamanitra izy noho izany. Izao no fanontaniana napetrany tao anatin'ny fangidiana sy ny fahadisoam-panantenany noho ny toe-javatra niainan'ny Isiraely izay niharatsy: "Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao." - Eks. 5:22,23. Mazava loatra fa tsy faly tamin'Andriamanitra i Mosesy, ary rehefa jerena ny toe-javatra, dia tsy sarotra ny mahatakatra ny antonizany.

Mahery vaika anefa ny valintenin'Andriamanitra. Hiditra an-tsehatra tokoa Izy, ary hanao izany amin'ny fomba hentitra. "Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao." - Eks. 6:1.

Vakio ny Eks. 5:22--6:8. Inona no navalin'Andriamanitra an'i Mosesy, ary inona ny fahamarinana ara-teolojia manan-danja ambara eto?

Tsy niteny fotsiny intsony Andriamanitra fa hiditra an-tsehatra amin'ny fomba mahery vaika ho an'ny vahoakany. Nampahatsiahy teboka manan-danja vitsivitsy an'i Mosesy Izy: (1) Izaho no Jehovah; (2) Izaho no niseho tamin'ireo patriarka; (3) Nanorina ny fanekeko tamin'izy ireo Aho; (4) Nampanantena Aho fa hanome azy ireo ny tany Kanana; (5) Efa reko ny fitarainan'ny zanak'Isiraely; ary (6) tsaroako ny fanekena nataoko, ny hanome anareo ny Tany Nampanantenaina.

Mariho ny fiverimberenan'ny tenin'Andriamanitra hoe: "Izaho". Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo, Izaho no nanao izao sy izao, ka mahazo matoky ianareo fa hataoko izay efa nampanantenaiko ho anareo.

Amin'ny fomba manetriketrika izao no anambaran'i Jehôvah fa hanao zavatra efatra ho an'ny Isiraely Izy noho ny maha-Andriamanitra velona Azy: (1) "hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho;" (2) "hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy," (3) "sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo;" ary (4) "halaiko ho Ahy y hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho." Eks. 6:6,7.

Ireo asa efatra ataon'Andriamanitra ireo no miantoka sy mampitoetra indray ny Fifandraisany amin'ny vahoakany. Andriamanitra no Mpanao ireo asa rehetra ireo, ary ny Isiraelita no mpandray ny tombontsoa rehetra sy ny fahasoavana. Atolotr'Andriamanitra maimaimpoana sy amim-pitiavana ireo fanomezana ireo. Nanao izany ho azy ireo Izy tamin'izany andro izany, ary mbola manao izany ho antsika amin'izao andro izao koa.

Iza avy koa ireo olona hafa ao amin'ny Baiboly izay nitaraina tamin' Andriamanitra ary nanana antony mazava nanaovana izany? Nahoana no tsy mampaninona ny mamboraka ny ao am-pontsika amin'Andriamanitra, ary koa ny mitaraina noho ny toe-java-misy, amin'ny fotoana sasany? Na Izany aza, nahoana no tsy maintsy amim-pinoana sy amin-toky no anaovanao Izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal