Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Toy ny Andriamanitra ho an’i Farao.

Daty
Alakamisy 17 July 2025

ΤΟΥ ΝΥ ANDRIAMANITRA HO AN'I FARAO

Vakio ny Eks. 6:28--7:7. Ahoana no navalin'l Jehôvah ny fanamarihana nataon'i Mosesy?

Nasehon'Andriamanitra an'i Mosesy ny maha-Yahweh Azy, izay midika fa Izy ilay Andriamaniny izay akaiky azy, ilay Andriamanitry ny vahoakany ary koa ilay Andriamanitra izay nanorina fifandraisana aminy araka ny fanekena nataony tamin'izy ireo.

lo Andriamanitra velona sy miasa io no mibaiko an'i Mosesy mba handeha sy hitondra teny amin'i Farao. Tsy natoky tena i Mosesy ka nilaza indray hoe: "aiza no hihainoan'i Farao ahy?" Tsy ny fanetren-tenan'i Mosesy ihany no hitantsika eto fa ny faniriany koa hiala amin'ilay asa nampiandraiketina azy, izay hita fa tsy nizotra araka ny tokony ho izy hatreto.

"Rehefa nomena baiko hiverina any amin'i Farao i Mosesy, dia naneho tsy fitokian-tena. Ny teny hoe 'aral sepatayim adika ara-bakiteny hoe 'molotra tsy voafora izay ampiasaina eto hanehoana ny tsy fahaizan'i Mosesy mandaha-teny (6:12,30) - dia mitovy amin'izay hita ao amin'ny Eks. 4:10: 'votsa vava'." - Andrews Bible Commentary: Old Testament, "Exodus" (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2020), t. 205.

Noho ny Famindrampony, dia nanendry an'i Arona ho mpanampy an'i Mosesy Andriamanitra. Hiteny amin'i Arona i Mosesy, ary i Arona no hiteny ampahibemaso amin'i Farao. Araka izany, dia haka ny toeran'Andriamanitra eo anatrehan'ilay mpanjaka egyptianina i Mosesy, ary i Arona no ho mpaminaniny.

Hita ao amin'io tantara io ny famaritana mazava indrindra ny anjara asan'ny mpaminany. Mpitondra tenin'Andriamanitra ny mpaminany; izy no fitaovana hoenti-mampita sy manazava ny tenin'Andriamanitra amin'ny olona. I Mosesy no niteny tamin'i Arona ary i Arona indray no nitatitra izany tamin'i Farao; tahaka izany koa no ifampiresahan'Andriamanitra amin'ny mpaminany izay manambara ny fampianaran'Andriamanitra amin'ny vahoaka. Mety am-bava no anaovana izany. mivantana; mety araka izay fahita ankapobeny tamin'izany koa anefa: nandray ny hafatra avy tamin'Andriarnanitra ny mpaminany ka nandrakitra izany an-tsoratra.

Hazavain'Andriamanitra amin'i Mosesy koa izay azony (Mosesy) andrandraina avy amin'ny fihaonana amin'i Farao. Mampitandrina azy Izy fa hahery vaika sy haharitra ny fifanandrinana. Indroa Andriamanitra no nanantitrantitra tamin'i Mosesy fa ho mafy hatoka sy hanamafy ny fony i Farao (Eks. 4:21; Eks. 7:3). Ho tsara fiafara anefa ny tantara, satria "ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehôvah ." - Eks. 7:5. Izany hoe, homem-boninahitra Andriamanitra na dia eo anivon'ny fikorontanana izay hiseho aza.

Tsy nanana fialan-tsiny azony nambara intsony i Mosesy mba tsy hanaovany ny asa niantsoan'Andriamanitra azy. Inona ny fialan-tsiny mely ataontsika mba hidifiana amin'izay zavatra fantatsika fa tian'Andriamanitra hataontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal