Hodinihina mandritra ny herinandro: Jak. 5:17,18; 1 Mpanj. 19:1-16; 1 Mpanj. 22:1-14; Eks. 15:20; 2 Mpanj. 22:11-14; Jer. 14:1-15.
Tsianjery
"Dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehôvah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo." - 2 Tant. 20:20.
Ny GPS (Global Positioning System) dia manampy ny mpandeha hahafantatra ny toerana misy azy sy izay halehany, ary manome fampitandremana momba ny loza mety ho tojo azy eny an-dalana koa aza. Toy izany koa, ireo mpivahiny ara-panahy izay mizotra ho any an-danitra dia mila fitarihana avy amin'ilay "rafitra fanoroan-dalana" avy any an-danitra, na amin'izao fotoana izao na amin'ny hoavy. Fomba iray nanaovan'Andriamanitra izany tamin'ny andro fahiny ny nanirahany ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao anatin'ny tantaran'izy ireny, ny fananarany, ny faminaniany sy ny tononkalony ary ny hirany no ahitantsika zavatra maro momba ireo mpaminany am-polony izay nitondra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny vahoakany.
Ny lesona amin'ity herinandro ity dia handinika ireo filazalazana momba ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha, izay manampy antsika hahatakatra ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana araka ny nisehoan'izany teo amin'ireo mpanompon'Andriamanitra sasany ireo.
Ho hitantsika fa olona tahaka antsika ihany izy ireo: marefo ka mety ho azon'ny tahotra, mety hahatsapa fahatezerana sy fahakiviana. Tsy mora ny fiainan'izy ireo fa feno zava-tsarotra sy fahoriana, tahaka ny fiainan'ny olona rehetra ihany.
Inona àry no azontsika ianarana amin'ny fandinihana ny fiainan'ny sasany amin'ireo mpanompon'Andriamanitra izay nantsoiny manokana ireo?