Nambaran'i Mosesy mialoha hoe: "Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo" - Deo. 18:15. Iza moa izany mpaminany izany? Ny Soratra Masina ihany no manazava fa nanondro an'i Jesôsy izany. "Jesôsy, (...) izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminany masina (...) Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; Izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo." - Asa. 3:22; jereo koa ny Jao. 6:14.
Inona no ifandraisan'i Jesôsy amin'ny faminaniana? Ahoana no namaliana izany fanontaniana izany tamin'ny andron'i Jesôsy? (Mat. 16:13-16; Mar. 8:27-29; Lio. 9:18-20).
I Jesôsy , amin'ny maha Kristy na Mesia Azy, no Ilay tondroin'ireo mpaminany rehetra ao amin'ny TT. Ao amin'ny TV dia ekena ho fahatanterahan'ireo faminaniana momba ny Mesia i Jesosy. Manambara ny Tenany ho Ilay tondroin'ireo faminaniana momba ny Mesia Izy ao amin'ny Lio. 24:13-35.
Raha ny marina, ny fanoritsoritana ny Teny ao amin'ny Jao. 1:1-5dia tsy manondro olombelona na mpaminany tsotra fotsiny. Ny Teny eto dia aseho ho Mpamorona, satria "Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza." - Jao. 1:3. Izany hoe, nahary ny zavatra rehetra Izy, dia izao tontolo rehetra izao, izay tombanana ho 93 lavitrisa taon-kazavana eo ny sakany ankehitriny.
Isaky ny voalaza hoe: "Ary Andriamanitra nanao hoe" ao amin'ny Gen. 1, dia mandre an'i Jesosy miteny isika. Ilay nanao hoe: "Misia mazava" - Gen. 1:3, no ilay "fanazavana ny olona" - Jao. 1:4, ary nandroaka ny haizina teto an-tany tamin'ny alalan'ny drafi-panavotana Izy (Jao. 1:4,5).
Azo antoka sy voamarina ny teny faminaniana avy amin'Andriamanitra. Rehefa tandremana izany teny izany, dia "toy ny jiro mahazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro" - 2 Pet. 1:19. Hitondra fahazavana hatrany ho an'ity tontolo feno fahotana ity ny faminaniana mandra-panorin'i Jesosy - Ilay "Kintana fitarik'andro" sy Loharanon'izany fahazavana ara-paminaniana izany - ny fanjakany mandrakizay.
Mandra-pahatonga izany dia manolotra fiainana mandrakizay ho antsika rehetra i Kristy amin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Ny hany fanontaniana mipetraka dia ny hoe: handray izany ve isika sa tsia?
Saintsaino ny hoe: I Jesôsy , Ilay Mpamorona (Jao. 1:1-3) ihany no Ilay maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotanao. Inona no ambaran'izany fahamarinana mahagaga izany momba ny maha zava-misy ny fitiavan'Andriamanitra antsika?