Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -

Daty
Alarobia 29 April 2026


ALAROBIA 29 Avrily

FITAHIANA ROA SOSONA 
Aza miantehitra amin'ny fihetsehampo, MF t.37

3111111q,frognS911 
Maro ny fomba ahafahantsika mianatra ny Baiboly. toy ny fandinihana andininy tsirairay (efa voaresaka etsy ambony), ny fandalinana toko iray na lohahevitra iray, ny fandinihana teny iray na boky iray. Azontsika atao ny mandalina konkordansa na koa ny rakibolana momba ny Baiboly, ary azo atao ny mamaky Baiboly miaraka amin'ireo boky fanahin'ny faminaniana ho fanampin-kevitra. Azo atao koa ny mivoaka eny anivon'ny zavaboary ary mihaino ny Baiboly vakina, na koa mihaona amin'ny namana na vondrona kely mba hiara-mianatra Baiboly. Ho fihazonantsika ny fisakaizantsika amin'ny hafa ho velona dia manao hetsika samihafa sy zava-baovao isika. Tahaka izany koa no tokony hihazonantsika ny fotoana ifanaovantsika amin'Andriamanitra isan'andro ho vaovao sy velona tsara amin'ny aialan'ny fomba samihafa andinihana ny Baiboly. Maro mandrakariva ny lesona azontsika ianarana ao! 
Zavatra iray mety hamelombelona fly fotoana fianaranao Baiboly nyfizarana amin'ny hafa ny lesona voarainao. Rehefa hazavainao izay nianaranao, dia mampitoetra izany ao an-tsaina ny famintinanao sy ny fandravonana azy. (zany no manampy antsika hitadidy ny fahalalana. Ny fitahiana roa sosona dia ny fizarantsika amin'ny hafa sy ny fifanakalozantsika hevitra aminy; hanentana sy hampahery anareo roa tonta ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny zava-panahy. Matetika amin'ny fizarana amin'ny hafa na ny fampianarana azy no ahafahan'ny saintsika mandalin-javatra indrindra. Ho hitanao koa fa ny zavatra ianaranao isan'andro dia tsy hafatr'Andriamanitra ho anao irery fa ho an'ny hafa koa. Vakio ny Isa. 50:4, Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika momba ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa? Ny fotoana manokana ianarantsika Baiboly dia tsy mampahatanjaka antsika fotsiny fa manampy antsika koa hampahery ny olona izay mifanena amintsika mandritra ny tontolo andro. Mety ho fitahiana roa sosona izany. Hazakazaka lavitra ezaka ny fiainantsika ara-panahy. Angataho ny Tompo hanampy anao haharitra eo am-pihazakazahana, ka hibanjina ny marika hotratrarina ny masonao (Fil. 3:14). Aza kivy raha somary nitaredretra nandritra ny fotoana fohy ianao, fa ataovy izay fanovana tokony hatao eo amin'ny fiainanao mba hihazonana ny fifandraisanao ho velona, indrindra indrindra ny fotoana manokana ianaranao Baiboly sy ivavahanao. Fa ny fiainana mandrakizay dia ny hahafantarantsika an'Andriamanitra izao ankehitriny izao (Jao. 17:3). Manova fiainana ny fanolorantsika tena isan'andro mba hitoetra ao Aminy sy ao amin'ny Teniny. Vakio ny tsianjery amin'ity herinandro ity ary diniho ny heviny. Inona no ianaranao amin'izao fotoana izao? Iza no azonao izarana izany? 
38

Vatofantsika mafinrny finoana, MF t.38

Eritrereto ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra. Tsara ho an'ny fahasalamana ve izany? Mety mampiasa tantely ianao hanamamiana izany, na koa mampiasa tantely Manuka noho ireo tombontsoa voalazan'ny mpitsabo fa azo avy aminy (Ny tantely Manuka dia karazan-tantely avy any Nouvelle-Zelande izay miavaka amin'ny tantely hafa rehetra noho ny fananany molekiola mahery vaika izay manampy ny vatana hanohitra otrikaretina samihafa). Raha efa nanandrana nihinana toho-tantely ianao dia hahalala fa mamy aoka izany ny tsirony, ary malefaka ery izy raha miempo ao am-bavanao. Antsoin'ny mpanao Salamo hoe toho-tantely ny Baiboly ao amin'ny Sat. 119:103,104 - sary an'ohatra maneho zava-mahafinaritra izany: "Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana." Inona no hevitry ny hoe "Ny didinao no nahazoako fahalalana" - Sal. 119:104? Nahoana izany hevitra izany no manan-danja ho an'ny fahatakarana ny fiantraikan'ny fandinihana ny Baiboly eo amintsika? Eny tokoa, mamy ho an'ny fanahintsika ny Tenin'Andriamanitra ary tsy misy tahaka azy izay atolotr'izao tontolo izao ho antsika. Tsy tahaka ny tsindrin-tsakafo sasany ny Tenin'Andriamanitra fa fanasitranana ho an'ny fanahintsika ary koa manova ny toetrantsika. Raha nisy fotoana nialanao lavitra an'Andriamanitra, dia mandohaleha ka sokafy ny Teniny ary misotroa avy amin'ny rano velona izay hany hanome fahafaham-po ny hetahetanao. Ao amin'ny Isa. 55:1-13 no amelabelaran'ny mpaminany ny hafatra voalaza teo aloha. Manokana fotoana hamakiana ity toko ity izao, ary valio ireto fanontaniana ireto: • Inona no omen'ny Tompo ho an'izay manatona Azy mba "hohaniny" ao amin'ny Teniny? • Inona ny fanasana alefany aminao eto? • Inona ny fihaikana apetrany? • Inona ny teny fikasany? Ny Tenin'Andriamanitra velona sy mahery dia manindrona sy mahatratra hatramin'ny fontsika sy ny saintsika ary ny fanahintsika, fihaikana apetrany ho antsika ny hitombo ao amin'i Kristy. Tsy afaka manao izany ho antsika anefa ny Baiboly raha tsy manokana fotoana sy ezaka isika (eny, mitaky ezaka izany) mba handalina ny Teny amin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fanetren-tena ary ny fanekena hanaraka ny fampianarany. Inona avy ireo fomba azo tsapain-tanana ahafahanao mitady an'i Jehovah "dieny mbola hita Izy" - Isa. 55:6? 
139

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal