Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.

Daty
Alatsinainy 10 November 2025

NY PASKA

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny nifidianan'i Josoa hitandrina ny Paska na dia teo aza ny fahamehana sy ny asa goavana amin'ny fakana ilay tany nampanantenaina? Vakio ny Jos. 5:10; Eks. 12:6; Lev. 23:5: Nom. 28:16; Deo. 16:4,6.

Ny Paska no zavatra faharoa nanan-danja indrindra nialoha ny fakana ny tany Kanana. Tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana no nanaovana izany, tao anatin'ny fanarahana an-tsipiriany ireo toromarika nomen'Andriamanitra. Asongadina manokana ny hevitra ara-tandindon'ny fitandremana ny Paska: maneho ny toe-javatra niseho tao amin'ny Eksodosy ireo toe-javatra resahina ao amin'ny bokin'i Josoa. Mampahatsiahy ny alina nisehoan'ny loza fahafolo ny Paska (Eks. 12), rehefa namono ny voalohan-teraka rehetra tao Egypta ny anjelin'i Jehôvah nefa tsy nikasika ireo Isiraelita. Arahin'ny fanafahana avy tany Egypta izany, sy ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ary ny dia lavitra namakivakiana ny tany efitra.

Ny tantaran'ny taranaka faharoa kosa dia nanomboka tany an'efitra, ary nitohy tamin'ny fitana an'i Jordana; tao anatin'izany koa ny famorana sy ny fitandremana ny Paska, izay mitohy amin'ny fotoana manan-danja niandrandran'ny Isiraely ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny fomba mahagaga ho famelezana ny fahavalon'izy ireo, ny mponina tao Kanana. Ny fitandremana ny Paska sy ireo toe-javatra efa niseho teo aloha dia manamarika ny fiantombohan'ny vanim-potoana vaovao eo amin'ny tantaran'ny Isiraely.

Tamin'ny alalan'ny tandindon'ny zanak'ondry natao fanatitra koa no nampaha-tsiahivan'ny andro firavoravoan'ny Paska ny fanavotana ny Isiraelita ho afaka tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina. Notondroin'izany mialoha koa anefa ny fahatanterahan'ny fanatitra tena izy ao amin'ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra (Jao. 1:29,36; 1 Kor. 5:7; 1 Pet. 1:18,19), izay nanavotra antsika tamin'ny fanandevozan'ny fahotana. Nandritra ny Fanasan'ny Tompo, talohan'ny nanolorany ny Tenany ho fanatitra faratampony, dia nanova ny Paska ho fahatsiarovana ny fahafatesany i Jesôsy (Mat. 26:26-29; 1 Kor. 11:23-26),

Toe-javatra be voninahitra kokoa anefa no ao ambadiky ny Paska sy ny Fanasan'ny Tompo, dia ny fidiran'ireo voavotra marobe any amin'ny Kanahan'ny lanitra. Tahaka izao no anoritsoritan'i Jaona izany "fiampitana" ho fahatanterahan'ny tandindona izany ao amin'ny Apokalipsy: ireo 144.000 mandeha eo amin'ny ranomasina fitaratra (izay fahatanterahan'ny tandindon'ny Ranomasina Mena sy ny ony Jordana) eo anoloan'ny seza fiandrianan Andriamanitra (Apok. 4:6; Apôk . 7:9, 10) ary koa mankalaza ny Paska tena izy sy ny tena Fanasan'ny Tompo ao amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry (Mat. 26:29; Apôk. 19:9).

Inona avy ireo fomba ahazoantsika mahatsiahy mandrakariva ny hazo fijaliana na dia tsy amin'ny fotoana ankalazantsika ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal