Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 21 February 2025

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra", toko voalohany ao amin'ny IFM.

"Ny drafitry ny fanavotana antsika dia tsy noheverina taty aoriana, na nalamina taorian'ny nahalavoan'i Adama. Fanambarana ny zava-miafina, izay hatry ny fony fahagola, izany (Rôm. 16:25). Famelabelarana ireo foto-kevitra izay niorenan'ny seza fiandrianan’Andriamanitra hatry ny fahagola izany. Hatramin'ny voalohany dia fantatr’Andriamanitra sy Kristy ny fivadihan'i Satana, sy ny fahalavoan'ny olona noho ny hery mamitak’ilay mpihemotra. Tsy nibaiko ny hisian'ny fahotana tsy akory Andriamanitra, fa tazany mialoha ny fisiany, ka nomaniny izay ilaina hoenti-misetra io zava-doza mahatsiravina io. Lehibe indrindra ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka nanao fanekena Izy hanome ny Zanani-lahy tokana "mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay." IFM, 1. 12, ed. 1983.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Raha tsy azon'Andriamanitra mandrakariva izay iriny, ahoana no fiantraikan'izany eo amin'ny fihevitrao mahakasika ny zava-miseho eto amin'ity tontolo ity? Inona no fiantraikan'ny fahatakarana fa tsy tanteraka ny fanirian Andriamanitra?

2. Raha iverenantsika ny fanoharana momba ny mofomamy tamin'ny Alakamisy, dia ho takatsika fa na dia "fantatr'Andriamanitra sy Kristy" aza "ny fivadihan'i Satana", dia niroso tamin'ny famoronana antsika hatrany Izy ireo. Azo antoka fa noho ny fitiavana izany, ary ny fitiavana dia midika ho fahalalahana. Noforonin'Andriamanitra mba hahay mitia isika mba hitiavantsika; nataony izany na dia fantany aza fa hitarika ho amin'ny fanomboana an'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana amin'ny farany. Inona no tokony hambaran'izany momba izao: masina ny fitiavana ary koa fototra iorenan'ny fitondram- panjakan’Andriamanitra ka tsy nolavin'i Kristy ny hanome antsika ny fahalalahana mifandraika amin'izany fa naleony niaritra ny fahoriana teo amin'ny hazo fijaliana?

3. Matetika isika no mitomany noho ny faharatsiana sy ny fahoriana misy eto amin'ity tany ity, nefa impiry moa isika no manokana fotoana hisaintsainana fa Andriamanitra koa dia mitomany sy ory noho ny fahoriana sy ny faharatsiana? Inona ny fiovana eo amin'ny fahatakaranao momba ny faharatsiana sy ny fahoriana nony tsapanao fa mampahory an'Andriamanitra koa ny fisian'ny faharatsiana?

4. Zavatra maro no mitranga eto an-tany nefa tsy sitrapon'Andriamanitra; ahoana no anampian'izany fahamarinana izany anao hiatrika ny fahorianao manokana, indrindra raha tsy takatrao ny anton'izany ary koa hitanao fa toa tsy mitondra soa mihitsy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal