Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 21 February 2025

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra", toko voalohany ao amin'ny IFM.

"Ny drafitry ny fanavotana antsika dia tsy noheverina taty aoriana, na nalamina taorian'ny nahalavoan'i Adama. Fanambarana ny zava-miafina, izay hatry ny fony fahagola, izany (Rôm. 16:25). Famelabelarana ireo foto-kevitra izay niorenan'ny seza fiandrianan’Andriamanitra hatry ny fahagola izany. Hatramin'ny voalohany dia fantatr’Andriamanitra sy Kristy ny fivadihan'i Satana, sy ny fahalavoan'ny olona noho ny hery mamitak’ilay mpihemotra. Tsy nibaiko ny hisian'ny fahotana tsy akory Andriamanitra, fa tazany mialoha ny fisiany, ka nomaniny izay ilaina hoenti-misetra io zava-doza mahatsiravina io. Lehibe indrindra ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka nanao fanekena Izy hanome ny Zanani-lahy tokana "mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay." IFM, 1. 12, ed. 1983.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Raha tsy azon'Andriamanitra mandrakariva izay iriny, ahoana no fiantraikan'izany eo amin'ny fihevitrao mahakasika ny zava-miseho eto amin'ity tontolo ity? Inona no fiantraikan'ny fahatakarana fa tsy tanteraka ny fanirian Andriamanitra?

2. Raha iverenantsika ny fanoharana momba ny mofomamy tamin'ny Alakamisy, dia ho takatsika fa na dia "fantatr'Andriamanitra sy Kristy" aza "ny fivadihan'i Satana", dia niroso tamin'ny famoronana antsika hatrany Izy ireo. Azo antoka fa noho ny fitiavana izany, ary ny fitiavana dia midika ho fahalalahana. Noforonin'Andriamanitra mba hahay mitia isika mba hitiavantsika; nataony izany na dia fantany aza fa hitarika ho amin'ny fanomboana an'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana amin'ny farany. Inona no tokony hambaran'izany momba izao: masina ny fitiavana ary koa fototra iorenan'ny fitondram- panjakan’Andriamanitra ka tsy nolavin'i Kristy ny hanome antsika ny fahalalahana mifandraika amin'izany fa naleony niaritra ny fahoriana teo amin'ny hazo fijaliana?

3. Matetika isika no mitomany noho ny faharatsiana sy ny fahoriana misy eto amin'ity tany ity, nefa impiry moa isika no manokana fotoana hisaintsainana fa Andriamanitra koa dia mitomany sy ory noho ny fahoriana sy ny faharatsiana? Inona ny fiovana eo amin'ny fahatakaranao momba ny faharatsiana sy ny fahoriana nony tsapanao fa mampahory an'Andriamanitra koa ny fisian'ny faharatsiana?

4. Zavatra maro no mitranga eto an-tany nefa tsy sitrapon'Andriamanitra; ahoana no anampian'izany fahamarinana izany anao hiatrika ny fahorianao manokana, indrindra raha tsy takatrao ny anton'izany ary koa hitanao fa toa tsy mitondra soa mihitsy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal