Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 16 November 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 5:17,20,36-40,46,47; Jao. 13:18; Jao. 17:12; Jer. 2:13; Zak. 9:9; Jao. 8:12-30.

Tsianjery: "Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray." - Jao. 5:36.

Hitantsika manerana ny bokin'i Jaona ireo teny rehetra nolazain'i Jesôsy izay manambara fa Izy tokoa no Mesia (hammashiach), Ilay Kristy, Izay tonga teo amin'ny Isiraely. Ary tonga iray tamin'izy ireo tokoa Izy, teraka Jiosy tao Betlehema, dia araka ny efa nambaran'ny Soratra Masina mialoha.

Araka ny nosoratan'i Jaona anefa dia "Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy." - Jao. 1:10.

Nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy hoe? Mahagaga izany fanambarana izany. Ary araka ny hitantsika ao amin'ny Jaona sy ireo filazantsara hafa dia maro tokoa ireo tsy nahalala Azy na dia tokony ho nahalala aza, noho ireo zavatra nataon'i Jesôsy sy nolazainy indrindra, ary satria koa aza, manondro Azy ny Soratra Masina.

Handinika ireo fomba maro hafa nanehoan'i Jaona an'i Jesôsy ho Mesia isika amin'ity herinandro ity, ary koa ny antony mahatonga ny olona sasany mbola handà Azy ihany, na dia eo aza ireo porofo mazava rehetra manambara ny maha-Kristy Azy.

Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny fahadisoan'izy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal