Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMPITSAHATRA NY TAFIO-DRIVOTRA IZY

Daty
Alahady 28 July 2024

Vakio ny Mar. 4:35-41. Inona no mitranga ato amin'ity tantara ity? Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'izany momba an'i Jesôsy?

Eo amin'ny fanombohan'ny Mar. 4 dia niditra teo an-tsambokely i Jesôsy mba hampianatra ny vahoaka teo amorony. Toa nivoaka kely i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4:10-12 mba hiresaka mangingina amin'ny mpianany. Ary rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro i Jesôsy dia nentin'ny mpianatra teo an-tsambokely, efa reraka tokoa. Avy hatrany dia resin-tory teo am-bodin'ny sambo Izy, teo ambonin'ny ondana. Dia nisy tafio-drivotra mahery, ka nofohazin'ny mpianatra i Jesôsy rehefa nila ho rendrika iny ilay sambokely. Tamin'ny fomba mahagaga no nibaikoan'i Jesôsy ny rivotra sy ny onjan-drano mba hitsahatra. Dia indro tony dia tony ny rano. Azo inoana fa naharaiki-tahotra ny mpianatra izany fanehoana ny herin'Andriamanitra izany.

Vakio ny Sal. 104:1-9. Manao ahoana ny fanoritsoritana an'i Jehôvah raha mitaha amin'i Kristy nampitsahatra ny tafio-drivotra?

Iray amin'ireo fomba fanehoan'Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, na fisehoan'ny anjeliny amin'ny olona, io tantara ao amin'ny Mar. 4:35-41 io, izay antsoina hoe "teôfania". Misy singa dimy iraisan'ireny karazana tranga ireny: (1) ny fanehoan'Andriamanitra ny heriny, (2) ny tahotry ny olombelona, (3) ny baiko hoe "Aza matahotra", (4) ny hafatra avy amin'Andriamanitra na ilay anjeliny, (5) ary ny valiny asetrin'ny olombelona ilay hafatra. Efatra amin'ireo dimy ireo no hita  fampitsaharana ny tafio-drivotra no fanehoan'Andriamanitra ny heriny - ny tahotry ny olombelona dia ny tahotry ny mpianatra - ny fanontanian'i Jesôsy hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo?", dia mitovy amin'ny hoe "Aza matahotra"; ary ny fanontanian'ny mpianatra hoe: "Iza moa ity(...)?"no valiny asetrin'ny olombelona. Ny hafatra avy amin'Andriamanitra no tsy ao. Mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'i Marka izany, izay hampisehoana ny tena marina momba an'i Jesôsy. Manosika ny mpamaky hahita ny hafatra avy amin'Andriamanitra, izay toa tsy ao, ny fanontaniana napetraky ny mpianatra hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?"— Izy no Zanak'Andriamanitra, dia ny Tompo.

Saintsaino ny momba ny herin'Andriamanitra. Ahoana no hianaranao miantehitra amin'izany hery izany sy matoky Azy amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal