Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ANDRO FARANY 

Daty
Sabotsy 31 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 12:41-44; Mar. 13:1-32; Dan. 9:24-27; Dan. 7:25; 1 Tes. 4:13-18.

Tsianjery: "Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hely lehibe sy ny voninahitra. Ary amin'izay dia haniraka ny anjely lzy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra." - Mar. 13:26,27. 

Tantara fohy ao amin'ny fiafaran'ny Mar. 12 no iantombohan'ny lesona amin'ity herinandro ity, izay anaovan'i Jesôsy fanambarana manan-danja momba ny fihetsika tsotra nataon'ny mpitondratena iray. Ny Mar. 13 anefa no tena ifotoran'ny ampahany betsaka amin'ny lesona mandritra ny herinandro, izay faminaniana manaitra momba ny anjara miandry ny tempolin'i Jerosalema sy ny hafa. Ity toko ity, sy ireo toko mitovy aminy (Mat. 24 sy Lio. 21) dia miresaka momba ny faharavan'i Jerosalema sy ny toe-javatra aorian'izany, eny tonga hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao mihitsy aza.

Ambaran'ny Mar. 13 mazava tsara fa manomboka amin'ny fotoan'ilay mpaminany (Jesôsy) ny faminaniana ka mifarana amin'ny andro farany, dia ny fiaviany fanindroany. Izany rafitra izany dia manaraka izay antsoina hoe "fanazavana ny faminaniana momba ny andro farany araka ny tantara," izay mifanohitra amin'ny fanasokajiana ireny faminaniana ireny ho ao anatin'ny vanim-potoana lasa na koa amin'ny hoavy.

Tahaka ireo fampianarana maro nataon'i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Marka, ny fampianaran'ny Tompo dia setrin'ny fanontaniana napetraky ny mpianatra na ny tsy fahatakaran'izy ireo. Ireny fanontaniana sy tsy fahatakaran-javatra ireny no nanome hirika ho an'i Jesôsy hampianarana fahamarinana manan-danja ho an'ny fiainana sy ny fanandramana kristianina. Tsy manambara mialoha ny hoavy fotsiny i Jesôsy fa manome torolalana ho an'ny mpianany tamin'izany sy ankehitriny koa ny amin'ny fomba hiomanany ho amin'ny fiatrehana ireo fitsapana ho avy.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal