Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAFATESANA AO AMIN'NY TESTAMENTA VAOVAO

Daty
Talata 04 June 2024

Vakio ny Jao. 11:11-14, 21-25; 2 Tim. 1:10; 1 Kôr. 15:51-54; sy ny 1 Tes. 4:15-17. Ahoana ny fanoritsoritan'ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao ny fahafatesana raha mitaha amin'ny an'ny Testamenta Taloha?

Samy mampiasa ny torimaso ho tandindon'ny fahafatesana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. In-53 farafahakeliny no ampitoviana ny teny hoe "torimaso" amin'ny fahafatesana ao amin'ny Baiboly. Ny mpanoratra ny Baiboly dia manaiky fa tsy misy fahatsiarovan-tena ao anatin'ny fanahy tsy mety maty izay mandao ny vatana aorian'ny fahafatesana.

Milaza hevitra fanampiny izay efa nolazaina tao amin'ny Testamenta Taloha ny Testamenta Vaovao: ny fitsanganana amin'ny maty be voninahitra amin'ny fiavian'i Kristy.

Ireo bokin'ny Filazantsara dia manasongadina fa ao amin'i Kristy irery ihany no misy fiainana mandrakizay. Tsy azon'ny demonian'ny helo rehetra atao ny handrombaka eo amin'ny mpino ny toky ananan'izy ireo mikasika ny fiainana mandrakizay. Nandresy ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy. Tsy afaka mihazona ireo nalavony intsony ny fasana. Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no antoka fa ny mpino rehetra dia hitsangana amin'ny maty indray andro any rehefa ho avy Izy.

Jereo ity tenin'i Paoly ity: "Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo; dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy." - 1 Kôr. 15:16-18. Ahoana no ahafahana manome heviny ireo andininy ireo raha efa any amin'ny fahasambaran'ny lanitra ny maty amin'ny fotoana ahafatesany? Inona no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe "very" raha toa izy ireo efa any an-danitra?

Mifanohitra amin'izany, dia izao no tian'i Paoly hambara: ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fototry ny fitsanganantsika amin'ny maty ary raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty dia "foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo", ary mijanona ao amin'ny tany ny maty ka very.

Mifanaraka tanteraka amin'ny andinin-tSoratra Masina hafa momba ny fanantenana ananantsika ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty amin'ny fiavian'i Jesôsy ireo andininy ireo rehefa mandray "ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo" isika (1 Pet. 1:4). Raha toa efa any an-danitra tokoa ny maty, nahoana ary i Petera no miresaka ny amin'ny lova "voatahiry any an-danitra" ho antsika? Mazava fa niandry fatratra ny fiavian'i Kristy sy ny fitsanganana amin'ny maty ireo mpino tao amin'ny Testamenta Vaovao, ary izany fanantenana izany no nanentana azy ireo ho mahatoky tamin'ireo fizahan-toetra teo amin'ny fiainana.

Nahoana ny fitsanganana amin'ny maty no fanantenana miezinezina tokoa ho an'ny finoana kristianina? Inona no hitranga raha teo ny hazo fijaliana kanefa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty? Inona ny fanantenana hananantsika? Nahoana ary ny fitsanganana amin'ny maty no singa iray manan-danja tokoa ho an'ny finoantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal