Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY MARIKY NY BIBIDIA

Daty
Alarobia 29 May 2024

Vakio ny Apok. 12:12,17 sy ny Apok. 13:7. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny firehetan’ny fahatezeran'i Satana? Nahoana ny devoly no tezitra mafy amin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany? 

Miresaka ny amin'ny ady ifanaovan'i Kristy sy i Satana manerana ny vanim-potoana rehetra eo amin'ny tantara ny Apôk . 12. Tonga amin'ny faratampony izany amin'ny fanafihana farany ataon'i Satana amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny Apôk. 13 dia maneho ireo mpiara-dia roa amin'ny dragona, dia ny bibidia avy amin'ny rano sy ny bibidia avy amin'ny tany. Miara-miasa aminy ireo fahefana roa ireo mba hiady amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny Apôk . 13:4, 8, 12, 15 sy ny Apôk. 14:7, 9-11. (Jereo koa ny Apôk. 15:4; Apôk . 16:2; Apôk. 19:20; Apôk. 20:4; Apôk . 22:9.) Inona ny hevitra manan-danja indrindra hita ao amin'ireo andininy ireo?

Mariho ny fifanoherana eto. Na amin'ny Mpahary ny olona no miankohoka na amin-javatra hafa. Ny Mpahary no mendrika ny hiankohofana (Apôk . 5:9). Ny fifanandrinana misy eo amin'i Kristy sy i Satana dia nanomboka tany an-danitra ary mikasika ny fiankohofana izany: "Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra"- Isa. 14:14. Nirin'i Satana hatao aminy ny fiankohofana izay an’ny Mpahary irery ihany. Araka ny Apôk. 13 dia nahomby izy tamin'ny alalan'ny asan'ilay bibidia avy amin'ny tany (Apôk. 13:4).

Ny fampitahana amin'ny Dan. 7 dia maneho fa io bibidia avy amin'ny tany io ihany no ilay tandroka kely izay "mitady hanova fotoana sy lalana" ary mampihatra fahefana mandritra ny 1260 "andro" ara-paminaniana, izany hoe mandritra ny 1260 taona (Dan. 7:25; ampitahao amin'ny Apôk. 13:5; jereo ny lesona 6). Ny didy fahefatra no hany ampahany amin'ny didy folon'Andriamanitra izay mamaritra fotoana. lo fiangonana io no niezaka ny hanova ny andro fivavahana Sabotsy izay andro fahafito ho amin'ny Alahady, andro voalohany amin'ny herinandro.

Ny fitadiavan'ny fahefana iray eto an-tany hanova ny andro fivavahana Sabata andro fahafito izay nomen'Andriamanitra ho famantarana ny Fahefany (Eks. 31:13; Ezek. 20:12,20) dia fiezahana haka an-keriny ny fahefan'Andriamanitra amin'ny fotony araka izay azo atao. lo teboka io, araka izany, no ivon'ny fifanandrinana farany mahakasika ny fiankohofana tena izy sy ny sandoka.

Izany no antony iantsoan'ny Apôkalipsy ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky hoe: ireo "izay mitandrina ny didin'Andriamanitra" (Apôk. 12:17, Apok. 14:12). Anisan'izany ny Sabata andro fahafito, fa tsy ny Alahady. Ireo izay manda ny antso farany ataon'ireo anjely telo mba hiankohofana amin'Andriamnaitra amin'ny androny masina (Isa. 58:13) ary koa miankohoka amin'ny bibidia amin'ny sabatany sandoka (ny Alahady) dia handray ny mariky ny bibidia (jereo ny lesona 11). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal