Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy mihetsika tahaka ny tendrombohitr'i Ziona

Daty
Alakamisy 14 March 2024

Vakio ny Sal. 125:1,2. Inona ny sary anehoana ireo izay matoky an'i Jehévah eto?

Ampitahaina amin'ny tendrombohitr'i Ziona ireo izay matoky an'i Jehévah; tandindon’ny hery sy ny fiorenana mafy izany. Ny fahitana ireo tendrombohitra avo manodidina ny tananan‘i Jerosalema no nanentana ny mpanao Salamo hiaiky ny maha-azo antoka ny fiarovan’Andriamanitra (Sal. 5:12; Sal. 32:7, 10). Miteraka fitokiana lalina ny fijoroan'ny tendrombohitra iorenan’i Jerosalema, fa tsy tahaka ireo tendrombohitra eo ambany fanapahan'ny ratsy fanahy izay mifindra ho ao anatin’ny ranomasina (Sal. 46:2). Vao mainka mihamafy ny fitokiana ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan'ny toe-javatra mahory izay toa andresen’ny ratsy matetika. Kanefa na dia eo anivon’izany faharatsiana izany aza dia azon'ny vahoakan’Andriamanitra atao ny manantena.

Vakio ny Sal. 125:3-5. Ahoana no akana fanahy ny marina? Inona ny lesona ho antsika ao anatin'izany?

Mety hahakivy ny zanak’Andriamanitra ny fahombiazan'ny ratsy fanahy, ary mety hahatonga azy alaim-panahy hanaraka ny lalan‘izy ireo (Sal. 73:2-13; Sal, 94:3). Tsy miaro ireo izay manalavitra an’Andriamanitra ny tendrombohitra mafy orin'i Ziona. Mbola manana fahalalahana ny olona “haninjitra ny tanany hanendry zava-dratsy’ (Sal. 125:3) sy *mivily ho amin‘ny sakeli-dalana mivilivily’ (Sal. 125:5). Manao ny rariny ny Tompo ary hitsara ireo izay mitoetra ao amin'ny fikomiana miaraka amin‘ireo mpanota hafa tsy mibebaka,

lty no fiantsoana ny vahoakan’Andriamanitra hijoro tsara amin'ny finoana sy hatoky an’i Jeh6vah, tahaka ny maha-fialofana tsy mihetsika ho azy ireo ny tendrombohitra Ziona. izany hoe, na dia tsy takatsika aza ny zava-miseho dia mbola azontsika atao hatrany ny matoky ny fahatsaran’Andriamanitra.

“Ny nidiran‘ny fahotana tamin‘izao tontolo izao, ny nahatongavan'i Kristy ho nofo, ny fiteraham-baovao, ny fitsanganana amin‘ny maty ary ny zavatra maro hafa koa aseho ao amin’ny Baiboly, dia zava-miafina lalina loatra, ka tsy takatry ny sain’olombelona hohazavaina, na hoe ho fantatra tanteraka marina akory aza, Nefa tsy misy antony isalasalantsika ny amin‘ny Tenin’Andriamanitra, satria tsy mahafantatra ny zava-miafina ao amin’ny fitondrany isika. (...) Misy zava- mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny. Ka dia tokony ho gaga ve isika raha mahita fa amin'ny ara-panahy koa dia misy zava-miafina, izay tsy haintsika fantarina velively? Ny fahalemena sy ny fahateren’ny sain'olombelona no tsy ahaizana izany. Andriamanitra efa nanome antsika porofo ampy a0 amin’ny Baiboly ny amin'ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, ka tsy tokony hisalasala ny amin‘ny Tenin’Andriamanitra isika, satria tsy fantatsika ny zave- ‘miafina rehetra ao amin’ ny fitondrany."- DHK, tt. 122, 123.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (56)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal