Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiambenana Maraina Androany

Teny feno halemem-panahy sy fanajana

Daty
Talata 23 June 2026

"Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay." - Isa. 50:4

Mofon’aina:
Izay nataon ' i Kristy tamin'ny fiamany teto an-tany no tokony ho fiainan'ny Kristianina tsirairay koa. Izy no ohatra ho antsika, amin'ny fahadiovany tsy misy pentina, amin'ny faharetany, ny fahalemem-panahiny (...). Mafy onna toy ny vatolampy Izy raha ny fahamarinana sy ny adidy no resahina, nefa tsy nisy fotoana tsy nanehoany hatsaram-panahy sy fanajana. (...) Nitondra rivo-piainana madio kokoa tao an-tokantrano ny fanatrehany, ary toy ny masirasira izay nitondra soa teo amin'ny fiarahamonina ny fiainany. Tsy nanan-tsiny no sady tsy nisy pentina Izy raha teo anivon ireo adala sy ratsy fanahy ary tsy manaja; teo anivon'ireo mpamory hetra tsy marina, ireo Samaritana tsy mahitsy, ireo miaramila jentilisa, ireo tantsaha ratsy toetra, ary ny vahoaka samihafa.

 Nanao teny nitory firaisam-po teny rehetra teny Izy rehefa nahita olona trotraka sy nampitondraina enta-mavesatra. (...)Nitady izayhanomezana fanantenana ho an'ireo ratsy toetra sy tsy misy antenaina indrindra Izy, ary naneho taminy fa azon'izy ireo atao ny (...) hanana toetra izay maneho ny maha zanak'Andriamanitra azy. 

(...) Nipetraka toy ny vahiny manan-kaja indrindra teo amin'ny latabatry ny mpamory hetra i Jesosy; nasehony tamin'ny firaisam-pony sy ny fahaizany mifandray amin'ny hafa ny fanekeny fa mendrika ny olombelona; ary naniry fatratra ny ho mendrika ny fitokiany ny olona. Nampitony ny hetahetan'ny fanahin' izy ireo tamin'ny fahefana feno fitahiana sy mamelombelona ny Teniny. Fihetsehampo vaovao no nifoha tao anatin' izy ireo, ary nisokatra ho an'ireo nailiky fiarahamonina ny fahafahana hanomboka fiainam-baovao.

 Manalefaka izay rehetra manan-toetra mirehidrehitra sy mahery setra ny fivavahan'i Jesosy, ary manamboatra izay rehetra marokoroko sy maranitra eo amin'ny fomba amam-pihetsika. to fivavahana io no mahatonga ny teny ho mamy sy ny fitondrantena hanintona. Andeha isika hianatra amin'i Kristy ny fomba hanakambanana ny fahadiovana sy ny fahitsiana ambony dia ambony amin'ny toetra falifaly. Ny Kristianina malemy fanahy sy mahalala fomba no porofo mahery vaika indrindra azo anohanana ny filazantsara. - ST, 16 Jolay 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal