«Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an 'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.» - 1 Tim. 4:8.
Mofon’aina:
Ny mombamomba ny fitan-tanam-pananana rehetra, ny tsipirian'ny varotra rehetra, dia tsy misy miafina eo anatrehan'ireo mpanara-maso tsy hita maso, izay tsy mba manao marimaritra iraisana amin'ny tsy fahamarinana, tsy mandefitra ny faharatsiana, ary tsy manamaivamaivana ny fahadisoana.
Manonona fanamelohana ho an'ny mpanao ratsy rehetra ny lalàn'Andriamanitra. Mety hanao tsinontsinona izany feo izany izy ireo, mety hitady izay fomba hampanginana ny fampitandremana izy, saingy tsy hisy vokany izany. Manaraka azy hatrany izany, reny mandrakariva, ary tsy mampandry saina azy. Raha tsy henoiny izany dia hanaraka azy na hatrany am-pasana aza. Ho vavolombelona hanameloka eo anatrehan'ny fitsarana azy izany. Ary afo mandevona no handany ny tenany sy ny fanahiny amin'ny farany.
"Fa inona no soa azon 'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Fa inona no homen'ny olona ho tak-alon'ny ainy? " - Mar. 8:36,37.
Tokony hoheverin'ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, sy ny mpianatra rehetra io fanontaniana io, izany hoe ny olombelona rehetra na antitra na tanora. Tsy mety haharitra na ho tanteraka velively ny drafitr 'asa na ny fikasana eo amin'ny fiainana raha toa ka mifantoka fotsiny amin'ny eto an-tany sy ny ankehitriny, izay mandalo ihany, ka tsy mitsinjo ny hoavy mandrakizay. Aoka ny tanora hampianarina hihevitra ny mandrakizainy. Aoka izy ireo hampianarina hisafidy hanaraka fitsipika sy hikatsaka harena maharitra, ka hihary "harena any an-danitra dia tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba", ho an'ny tenany. — Fk, tt. 157,158.