Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifikira amin’i Jesôsy rehefa zahan-toetra.

Daty
Zoma 11 July 2025

"Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho." — Isa. 41:10.

Mofon’aina:
Tokony hikaroka fomba sy fahafaha-manao izay hahatonga ny zanany hanan-javatra hatao mandrakariva ny ray aman-dreny (...). Tsy tokony hohadinoin'ny ray aman-dreny na oviana na oviana fa mila miasa mafy ho an'ny tenany sy ho an'ny zanany izy raha tiany ny ho voaro miaraka aminy. Mbola eto amin'ny tanin'ny fahavalo isika. Aoka ny ray aman-dreny hitolona mafy mba hahatratra ny fenitra ambonimbony kokoa ka hitondra ny zanany miaraka aminy. (...) 

Manehoa fahavononana hanao ny ezaka rehetra azonao atao mba hametrahana ny zanakao eo amin'ny toe-javatra mety indrindra ho an'ny fanefena ny toetra izay takin'Andriamanitra amin' ny mpanompony. (...) Hioko amin'ny famotehana anareo ny herin'ny helo. Mivavaha matetika kokoa noho izay fanaonao. Ampianaro amim-pitiavana sy amim-pahalemem-panahy ny zanakao mba hanatona an'Andriamanitra toy ny Ray ao an-danitra.

 Ampianaro hifehy tena izy ireo amin'ny alalan'ny ohatra asehonao eo amin'ny fitondrana ny tokantrano. Ampianaro izy ho tia manampy ao an-tokantrano. Hameno ny sainao amin'ny eritreritra sarobidy indrindra ny Fanahy Masina rehefa miasa ho an'ny famonjena ny tenanao sy ny zanakao ianao. 

Ry ray aman-dreny, angony ireo tara-pahazavana mamirapiratra eny amin'ny lalan-kalehanareo. (...) Rehefa manao  ny asa famonjena ny zanakareo ianareo sy manao izay hihazonana ny toeranareo eo amin'ny lalan'ny fahamasinana, dia hiseho ny fizahan-toetra mahavery hevitra indrindra. Aza miraviravy tanana anefa. Mifikira amin'i Jesôsy; hoy Izy: "Aoka hifikitra amin' ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy" - Isa. 27:5.

 (...) Rehefa misy ny hamehana dia anontanio Izy hoe: "Tompo ô, inona indray izao no tokony hataonay?" Raha mandà tsy hitroatra ianareo na hitaintaina na koa hisafoaka, dia haneho anareo ny lalana hivoahana ny Tompo. 

(...) Ataovy izay rehetra azonao atao hananana fomba fijery ambony eo anatrehan'ny zanakao. Amin'ny fanarahana ny fomban'i Kristy sy ny fifikirana mafy amm'ny teny fikasan'Andriamanitra no hahatonga anao ho evanjelisitra ao an-tokantrano sy mpitondra fahasoavana ho an'ny zanakao. SMC, 185.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal