Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hevero manokana ireo mambra sahirana

Daty
Alahady 18 February 2024

"Koa araka my ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana "Gal. 6:10.

Napetrak'i Kristy tamin'ny fomba tamin'ny fiangonany ny adidy momba ny fikarakarana ny sahirana amin'ireo mambra ao aminy. Ekeny ho ao anatin'ny faritry ny fiangonana ireo mahantrany. Tsy maintsy ho eo amintsika mandrakariva ireo, ary ankininy amin'ny mambran'ny fiangonana ny andraikitra manokana hikarakara azy ireny. Tahaka ny mambran'ny ankohonana, mifampiahy, mikarakara ny marary, manohana ny reraka, mampianatra ny bado, manofana ny vao mianatra, dia toy izany koa ny mpianakavin'ny finoana, mikarakara ireo tsy mana-mpiahy ao aminy.

Adidin'ny fiangonana tsirairay ny mandrafitra fandaminana amim- pitandremana sy amim-pisainana tsara momba ny fikarakarana ireo mahantra sy marary ao aminy. Ny tsirambina, na kely aza, ataon'ny mpanara-dia an'i Kristy, ny tsy firaihana amin'ny fanamaivanana ny fahasahiranan'ireo rahalahy na rahavavy milanja ny ziogan'ny fahantrana sy ny fahoriana, dia voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra toy ny natao tamin'i Kristy, izay ao amin'ny olony masina. Maro be ireo izay hampamoahina eo anatrehan'ny Tompo noho ny fitoriany ny tenin'i Kristy amin'ny hafa, nefa tsy mba mangoraka na mihevitra ireo mpiray fanantenana aminy izay tsy mba manana tombontsoa sy fahombiazana tahaka azy.

Izay naman'ny mahantra no tena Kristianina marina. Toy ny fikarakarany zava-maniry marefo sy malefaka ary mora malazo no ikarakarany ny rahalahiny (na rahavaviny) ao anatin'ny fahaverezan-kevitra. Tian'Andriamanitra hankeo anivon'ny marary sy ny mijaly ireo mpiasany mba ho mpampita ny hafa-pitiavany sy ny hafa-pamindrampony. Manara- maso antsika Izy, mijery ny fomba fifampitondrantsika, tahaka an'i Kristy ve isika amin'ny fitondrantsika ny olona rehetra, na ambony na ambany.na manankarena na mahantra, na olona afaka na andevo?

Tsy misy iadian-kevitra ny amin'ireo mahantran'ny Tompo ireo. Tsy maintsy ampiana izy ireo amin'izay mahasoa azy amin'ny fotoana rehetra. - MLT, L. 245.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal