"Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika." Gal. 6:9.
Mofon’aina:
Eto amin’ity fiainana ity dia matetika no toa saika tsy misy vokany ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra. Mety ho matotra sy feno faharetana ny ezaka ataontsika mba hanao ny tsara, kanefa mety tsy havela hahita maso ny vokatr’izany isika. Ho antsika dia mety ho toy ny very maina ilay ezaka. Manome toky antsika anefa ny Mpamonjy fa voarakitra any an-danitra ny asantsika, ary azo antoka ny valisoa. Izao no vakintsika ao amin’ny tenin’ny mpanao Salamo: “Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” – Sal. 126:6.
Ary raha homena amin’ny fiavian’i Kristy ny valim-pitia farany sady lehibe indrindra, dia mitondra valim-pitia na dia amin’izao fiainana izao aza ny fanompoana atao amin’ny fo tokoa. Tsy maintsy hiatrika sakantsakana sy fanoherana ary fahakiviana mangidy sy mankarary fo ny mpiasa. Mety tsy hahita ny vokatry ny fisasarany izy ireo. Eo anatrehan’izany rehetra izany anefa, dia mahita valisoa voatahy ao anatin’ny asany izy ireo.
Izay rehetra manolo-tena ho an’Andriamanitra ho amin’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ho an’ny olombelona dia miara-mifarimbona amin’ny Tompon’ny voninahitra. Manalefaka ny fisasarana rehetra io eritreritra io, manohana ny sitrapo, mampahery ny saina na inona na inona mety hitranga. Izay miasa amin’ny fo afaka amin’ny fitiavan-tena (...), dia manampy ny hisandratan’ny onjan’ny fifalian’ny Tompo ka mahatonga voninahitra sy fiderana ny anarany masina.
Miray amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy ary amin’ireo anjely masina izy ireo, ka voahodidin’ny rivo-piainan’ny lanitra, rivo-piainana izay mitondra fahasalamana ho an’ny vatana, sy tanjaka ho an’ny saina, ary fifaliana ho an’ny fanahy.
Izay rehetra manokana ny tenany sy ny fanahiny ary ny sainy ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia handray mandrakariva hery vaovao ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Azony anovozana araka izay ilainy ny tahirin’ny lanitra tsy mety ritra. Omen’i Kristy' azy ny fofon’ain’ny Fanahiny, dia ny ainy mihitsy. Mamoaka ny heriny ambony indrindra ao am-pony sy ao an-tsainy ny Fanahy Masina. — TFC, b. 6, tt. 305,306.