Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

Daty
Alatsinainy 29 September 2025

"Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika." Gal. 6:9.

Mofon’aina:

Eto amin’ity fiainana ity dia matetika no toa saika tsy misy vokany ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra. Mety ho matotra sy feno faharetana ny ezaka ataontsika mba hanao ny tsara, kanefa mety tsy havela hahita maso ny vokatr’izany isika. Ho antsika dia mety ho toy ny very maina ilay ezaka. Manome toky antsika anefa ny Mpamonjy fa voarakitra any an-danitra ny asantsika, ary azo antoka ny valisoa. Izao no vakintsika ao amin’ny tenin’ny mpanao Salamo: “Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” – Sal. 126:6.

Ary raha homena amin’ny fiavian’i Kristy ny valim-pitia farany sady lehibe indrindra, dia mitondra valim-pitia na dia amin’izao fiainana izao aza ny fanompoana atao amin’ny fo tokoa. Tsy maintsy hiatrika sakantsakana sy fanoherana ary fahakiviana mangidy sy mankarary fo ny mpiasa. Mety tsy hahita ny vokatry ny fisasarany izy ireo. Eo anatrehan’izany rehetra izany anefa, dia mahita valisoa voatahy ao anatin’ny asany izy ireo.

Izay rehetra manolo-tena ho an’Andriamanitra ho amin’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ho an’ny olombelona dia miara-mifarimbona amin’ny Tompon’ny voninahitra. Manalefaka ny fisasarana rehetra io eritreritra io, manohana ny sitrapo, mampahery ny saina na inona na inona mety hitranga. Izay miasa amin’ny fo afaka amin’ny fitiavan-tena (...), dia manampy ny hisandratan’ny onjan’ny fifalian’ny Tompo ka mahatonga voninahitra sy fiderana ny anarany masina.

Miray amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy ary amin’ireo anjely masina izy ireo, ka voahodidin’ny rivo-piainan’ny lanitra, rivo-piainana izay mitondra fahasalamana ho an’ny vatana, sy tanjaka ho an’ny saina, ary fifaliana ho an’ny fanahy.

Izay rehetra manokana ny tenany sy ny fanahiny ary ny sainy ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia handray mandrakariva hery vaovao ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Azony anovozana araka izay ilainy ny tahirin’ny lanitra tsy mety ritra. Omen’i Kristy' azy ny fofon’ain’ny Fanahiny, dia ny ainy mihitsy. Mamoaka ny heriny ambony indrindra ao am-pony sy ao an-tsainy ny Fanahy Masina. — TFC, b. 6, tt. 305,306.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal