Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema

Daty
Alatsinainy 11 March 2024

Vakio ny Sal. 122:1-5. Inona no fihetsehampon'ireo mpivavaka rehefa tonga any Jerosalema? Inona no antenainy ho hita any?

Maneho ny firavoravoan'ny mpivahiny sy ny fifalian'izy ireo amin‘ny fahatongavany any Jerosalema ny Sal. 122. Fotoam-pifaliana ny fivahiniana tany Jerosalema, rehefa nankany intelo isan-taona ny vahoakan’Andriamanitra mba hahatsiaro ny fahatsarana nasehon’Andriamanitra tamin‘izy ireo tamin’ny lasa sy ny ankehitriny (Deo. 16:16). | Jerosalema no ivon’ny fiainan'ny firenena satria tao no nisy ny “Lalana amin'ny Isiraely’ (Sal. 122:4) sy ny “seza fitsarana mipetraka” (Sal. 12:5). Ny “Laléna amin’ny Isiraely’ dia manondro ny fitoerana masina, izay nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe “taberakelin'ny Vavolombelona” (Nom. 1:50) ary koa nisy ny “fiaran'ny Vavolombelona” (Eks. 25:22). Maneho ny rafi-pitsarana tany Jerosalema ny seza fiandrianan'ny fitsarana (2 Sam. 8:15). Ny fivahiniana tany Jerosalema, araka izany, no fotoana nitadiavan'ny olona ny rariny sy nahazoany izany. Tsy nosarahina mihitsy ny fahatokiana amin’Andriamanitra sy ny fanomezana rariny ny olona.

Vakio ny Sal. 122:6-9. Inona no tena antom-bavaky ny vahoakan’ Andriamanitra?

Ny fangatahana fiadanana ho an'i Jerosalema dia fangatahana ny fitahian’Andriamanitra ho amin’ny tanana sy ny mponina ao aminy; mampiray ireo mpivavaka izany ka mahatonga ny fiadanana hipariaka eo amin‘izy ireo (Sal. 122:8). Tsy ho tananan’ny fiadanana i Jerosalema raha tsy mihavana amin’Andriamanitra ny olony, ary mihavana koa ireo samy zanak’Andriamanitra. Araka izany, ny fangatahana fiadanana ho ani Jerosalema dia mampita antso ho amin'ny vahoakan’Andriamanitra mba hihavana amin’Andriamanitra sy amin'izy samy izy. Rehefa miadana i Jerosalema dia hiadana ny olona (Sal. 147:12-14),

Ampianarin'ny Salamo antsika fa ny fangatahana ny fiadanan'ny fiarahamonin'ny finoana no tokony ho ivon'ny antom-bavaky ny zanak’Andriamanitra satria ny vahoakan’Andriamanitra miray hina sy matanjaka inany no afaka hitory ny vaovao mahafalin’ny fiadanan’Andriamanitra sy ny famonjena amin'izao tontolo izao (Jao. 13:34, 35).

Tombontsoa sy andraikitra ho an'ny mpino ny fangatahana ny fiadanan’i Jerosalema satria mihazona ny fanantenana ny fiavian'ny fanjakam- piadanan’Andriamanitra amin'ny andro farany izany, izay hahakasika an'izao tontolo rehetra izao fa tsy ny tananan’i Jerosalema ihany (Isa. 52:7; Isa. 66:12, 13; Apdk. 21-22).

Inona avy ireo fomba azo ampiharina ho fampanjakana ny firindrana eo. amintsika ankehitriny, amin'ny maha-vahoakan' Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal