"Fa ao amin’i Kristy Jesôsy dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana." - Gal. 5:6
Mofon’aina:
Nasehon'i Kristy ny haben'ny fitiavany antsika tamin'ny nanolorany ny Ainy mba tsy ho faty ao amin'ny fahotantsika isika (...). Raha kolokolointsika ao am-po izany fitiavan'Andriamanitra izany, dia manamafy sy mampahatanjaka ny firaisantsika amin' ireo izay manana finoana toy ny antsika. (...) Manamafy ny fitiavantsika an'i Kristy ny fanamafisana ny fitiavantsika ireo rahalahy sy anabavintsika. Izany fitsipiky ny fitiavana an'Andriamanitra sy ireo nanoloran'i Kristy ny ainy izany, dia tokony hovelombelomin'ny Fanahy Masina ary hohamafisin'ny fitiavan' ny mpirahalahy sy ny fahamoram-panahy (...) Io firaisana io, izay mampifamatotra ny fo, dia tsy vokatry ny fihetseham-po fa avy amin'ny fitsipika mahasoa ny tena. Miasa amin'ny fitiavana ny finoana, ary manadio ny fanahy amin'ny fitiavan-tena rehetra. Amin' izany, dia tanteraka ao amin'ny fitiavana ny fanahy. Ary satria efa nandray fahasoavana sy famindrampo tamin'ny alalan'ny ra sarobidin'i Kristy isika, ahoana no tsy hahaizantsika maneho fahalemem-panahy sy famindrampo? (...)
Ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenantsika manokana, Ilay mamela ny fahotantsika sy ny helotsika, (...) no aroson'ny Isaia toko faha-58. Ao no iresahana momba ireo vokatry ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fo ho afaka amin'ny fitiavan-tena. (...)
"Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: dia ny hamaha ny famatoran 'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin 'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny m'y manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, Ica tsy hihirim-belona amin 'ny namanao ianao? Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan 'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahltr'i Jehovah ho vodi-lalanao (...); ary Jehôvah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao arnin 'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra." - and. 6-8, 11. - RH, 17 Marsa 1910.