"Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin 'ny elany, - Jehovah irery no nitondra azy, ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy." - Deo. 32:11,12.
Mofon’aina::
Manatanjaka ireo mpanara-dia Azy Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika, tsy amin'ny alalan'ny hosoka ara-tsiansa, fa amin'ny alalan'ny finoana marina ny tenin'Andriamanitsika. Averimberina sy hamafisina amin-kery hatrany izany. Avondron'i Satana ny heriny rehetra ho amin'ilay ady farany efa antomotra, ka eo no tena ilana indrindra ny faharetan'ny mpanara-dia an'i Kristy. Indraindray toa tsy maintsy milefitra izy. Nefa ny tonom-bavaka iray atao amin'i Jesosy Tompo dia mitsoriaka toy ny zana-tsipika mankeo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary dia irahin'Andriamanitra ho eo an-tsahan'ny ady ireo anjeliny. Mivadika ny rasa. Noho ny fahazavana mahagaga mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy dia voatampina ny vavan'ireo mpanohitra. Voakaton'ny fahefana lehibe noho izy ny molotr'ireo, koa votsotra eo an-tanany ireo nampahoriny. Akarina toy ny eo ambonin'ny elatry ny voromahery ireo fanahy mino sy nampijaliana ireo, ary azo ny fandresena.
Miantso ny vahoakany Andriamanitra mba hiomana hiatrika ady mafy. Tanteraho amim-panetren-tena sy fahalemem-panahy ary fahatokiana ny adidinao. Tohero amin'ny herin'i Jesosy mandrakariva ny fahavalonao. Fantaro fa tsy maintsy mitoky tanteraka amin'Ilay manana ny hery rehetra sady tsy hamela anao ho faty ianao, amin'ny alalan'ny fibebahana isan'andro sy ny fanetren-tena. Azonao atao ny mahafantatra an'i Kristy amin'ny alalan'ny fanandramana manokana. (...) Ao anatin'ny fitsapana amin'izao andro farany izao, dia ho fahendrena, fahamarinana, fahamasinana, ary fanavotana ho an'ny vahoakany i Kristy. (...) Tsy maintsy mampitombo ny fanandramany izy ireo, izay ho hery mandresy lahatra eo amin'izao tontolo izao. (...)
Akory ny hakanton'ny lesona voaraintsika vokatry ny fianteherantsika mandrakariva amin'ny fahampian'ny fahasoavan'i Kristy. Tsy mita miankina amin'ny fanandraman'olon-kafa izay mianatra toy izany. (...) Azony antoka ilay teny fikasana hoe: «ampy ho anao ny fahasoavako» - 2 Kôr. 12:9. «Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.» - 1 Kôr. 10:13. —Ms, 53, 1905.