Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Aza manaraka ny fanaony"

Daty
Zoma 30 October 2026

"Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miova amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rom. 12:2.

Mofon’aina:
Tsy mampirisika ny mpanara-dia Azy 1 hanao voady hampifamatotra azy amin'ireo izay tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra velively i Kristy. (...)

Misy hantsana lehibe mampisaraka ny olon'izao tontolo izao sy ny olona izay manompo an'Andriamanitra amim-pahatokiana. Mifanohitra ny fisainana aman'eritreriny ny amin'ireo lohahevitra manan-danja indrindra momba an'Andriamanitra, ny fahamarinana, ary ny mandrakizay. Ny iray mihamatoy toy ny vary hangonina ao an-tsompitr'Andriamanitra, ary ny iray kosa toy ny tsimparifary izay hodorana amin'ny afo fandringanana. Ahoana no mety hiraisan'ireo roa ireo tanjona sy asa amin'izany? (...)

Tokony hitandrina isika mba tsy hanana fisainana manavakavaka na tsy mandefitra. Aoka isika tsy haneho fihetsika mihatakataka amin'ny hafa, toa milaza hoe: «Aza manatona ahy, fa masina noho ianao aho». (...) Tokony hanao izay ampitana aminy ny fahamarinana sarobidy izay efa nandraisan'ny fontsika fitahiana kosa isika. (...) Raha Kristianina isika, manana ny toe-tsain'Ilay maty mba hamonjy ny olona amin'ny fahotany, dia ho tia ny fanahin'ny namantsika, ka ny fanatrehantsika sy ny hery miasa mangina avy amintsika dia hitaona azy hiala amin'ny fanaranam-po amin'ny fahotana. (...) Tokony hiorina mafy ao amin'ny faharesen-dahatra isika fa na inona na inona miala amin'ny rariny sy ny fahamarinana eo amin'ny fifandraisana sy ny fiarahantsika miasa amin'ny olona, dia tsy mety hahasoa antsika izany, ary manala baraka an'Andriamanitra tokoa. (...)

Rehefa vonona hanao fatiantoka ny zavatra rehetra ny olona mba hahazoany an'i Kristy, dia hisokatra ny masony hahita ny toe-javatra araka ny maha-izy azy marina. Amin'izay dia hiala amin'ny zavatry ny tany ny fisainany ka hitodika any amin'ny zavatry ny lanitra. (...)

 «Ho rakitra soa hoAhy ireny amimny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon>ny maro» amin'izay mankato, «ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitoviamny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.» - Mal. 3:17,18. — RH, 25 Aogositra 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal